Nihaona tamin’ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana (Pnud), Issa Sanogo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sady filoha nasionalin’ny HVM, teny Andraharo, omaly. Niompana lafin-javatra maromaro ny dinika nifanaovan’ny roa tonta. Anisan’izany ny fijerena vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Eo koa ny lafiny sosialy sy ny momba ny toekarena. […]
Taratra
Fiatrehana ny fifidianana : mitaky fitsipi-dalao mazava ny Vondrona Panorama
Nifamory, nifampiarahaba noho ny taona vaovao tetsy Antanimena ny eo anivon’ny Vondrona Panorama, omaly. Ahitana ireo antoko politika maro sy fikambanana samihafa avy amin’ny fanoherana izany. Nisongadina tamin’izany ny resaka fifidianana. “Ilaina ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana ka tokony ho tafiditra eo anivon’ny Ceni avokoa ny avy amin’ny mpanohitra sy ny […]
CUA – “The real Madagascar”: manampy ny sehatry ny fizahantany
Nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny orinasa AIOLOS, omaly, momba ny fametrahana ny «Application the real Madagascar». Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Hanampian’ny kaominina ny sehatry ny fizahantany, ny trano fandraisam-bahiny ary ny trano fisakafoana izy ity. Tanjona ny hanampiana ny mpitsidika hanomana ny […]
Sarotra ny fandidiana !
Dila tanteraka ny rivodoza Freddy. Anatin’ny fanisana ny traboina sy fanombanana ny zavatra simba isika, ankehitriny. Efa nanao be midina tany amin’ny distrika tena voa-mafy ny iraky ny Filoham-pirenena. Nanao vonjy ranovaky, nitondra izay voa tsy rambin’ny tanana. Efa any an-toerana, mitondra izay vitany koa ny ankolafy sy vondrona samihafa, […]
Mpampivelona novonoim-badiny : nolerana antsy no voakapa famaky
Naiditra am-ponja, rehefa avy niaiky heloka ny lehilahy iray avy namono ny vadiny. Notsindrominy antsy ny mason-dramatoa, mbola nokapainy famaky ny lohany. Ny tendrim-po tsy mba namana! Maty nanamparan’ny raim-pianakaviana ny hatezerany ny vadiny, ny talata lasa teo tany Port Bergé. Nolerany antsy ny voamasony, nokapainy famaky ny tarehiny, araka […]





