Tsy mijanona ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahatona, distrika Mandritsara andro vitsy lasa izay. Omaly, olona amam-polony indray voasambotra tao amin’ity kariera ity. Anatin’ny famotorana lalina momba ilay raharaha tao Sahatona ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Ankehitriny, manodidina ny roapolo isa ireo voasambotra tamin’iny […]
Taratra
Fakafaka: Ny manana no manome !
« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza», hoy ny ohabolana Malagasy, manamafy io lamina voajanahary io. Tanora malagasy, tsy manaja raiamandreny. Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra, sns. Olona tsy manome hasina. Olona mpanivaiva… Ka izay ananany ihany ange no omeny e! Matoa tsy afa-manolotra haja amam-boninahitra, tsy manana izy izay. […]
Fifaninanana sarimihetsika : nisongadina ny mpanatontosa malagasy
Manomboka miakatra eo amin’ny sehatry ny matihanina ny tanora malagasy, eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Tanora mpanatontosa malagasy roa no nandrombaka ny “Zebu d’Or”, amboara ho an’ny nandrombaka ny fifaninanana nandritra ny fifaninanana nandraisan’ny mpanatontosa afrikanina anjara. “Feno tanora manana talenta miafina aty Afrika. Manolotra azy ireo fahafahana miofana matotra no […]
Misesy ireo mpanao rap vahiny : ho avy hizara ny “afrolov” eto i Tayc
Maro izay mpanakanto mpanao rap frantsay nandalo teto Madagasikara tamin’ity taona ity izay… Vantany vao nifarana ny “festival Zaza Rap Taiza”, ny asabotsy teo, dia efa nanambara vaovao mahafaly hoan’ny mpiondana indray ry zareo ao amin’ny Good Vibes Party. Ho avy ary hanao fampisehoana eto Madagasikara i Tayc ny 10 […]
Misaona ny zavakanto malagasy: nodimandry i Abel Andriarimalala
Lavo ny andrarezina ! Sehatry ny kanto maro no niriariavan’ny sanganasan’i Abel Andriarimalala. Tsy hikorisa intsony ny penina. Tsy ho heno mivantana sy tsy ho hita eny an-tsehatra intsony, izany rehetra izany. Araka ny vaovao nampitain’ny Havatsa-Upem, nodimandry, omaly 12 deambra 2022, teo amin’ny faha-83 taonany, tao Frantsa i Abel Andriarimalala. Toeram-pianarana, […]




