Taratra

Andriamalazaray Andoniaina : “140 miliara Ariry no enti-manana ny fifidianana”

“Ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao amin’ny 9 novambra ny fihodinana voalohany ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, heverinay fa tokony hanokanana vola 140 miliara Ar any ho any”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriama­la­za­ray Andoniaina, momba ny vo­la enti-manana ny fifidi­anana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa. Heverin’ny […]

Maka Alphonse: “Be loatra ny fihatsarambelatsihy eto amintsika”

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ankihitriny, i Maka Alphonse. «Be loatra ny fihatsarambelatsiny eto amintsika», hoy izy. “Mbola averiko ihany: be loatra ny fihatsarambelatsihy amintsika. Tena tsy misy finiavana hoe hijery ny hoavin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Conseil du Fam­pihavanana Malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, manoloana ny […]

Nanendaka ramatoa teny 67 ha: jiolahy iray maty voatifitry ny polisy

Nirefotra indray ny basin’ny polisy teny Andohatape­naka, ny faran’ny herinandro teo. Maty voatifitra ny jiolahy iray avy nanendaka ramatoa mpivarotra. Araka ny fanazavan’ny polisy (CSP7), ramatoa mpivarotra iray no lasibatry ny jiolahy niaraka tamin’ny antsibe tamin’io fotoana io. Lasa nitsoaka avy hatrany ireo jiolahy taorian’izay. Tsy nampoizin’ireo olon-dratsy anefa ny […]

Fotoana fandinihan-tena sy teny izao

21 febroary. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso. Ho an’izay mahalala, tsaroana hatrany ny fano­loran-tenan’ny mpianatra dimy tao Dacca tamin’ny 21 febroary 1952. Namoy ny aina ho an’ny tenin-dreny? Mba ho teny ofisialy ny teny Bangla, fa tsy ho tenim-pirenena faharoa. Izay no niavian’i Bangladesh ho renivohitr’i Pakistan, taorian’ny adim-panafahana. […]