Taratra

Nanafika ben’ny Tanàna: jiolahy raindahiny maty voatifitra

Anisan’ny nanafika ny ben’ny Tanàna tao Ankirihitra, lavon’ny zandary ny jiolahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankijabe, distrikan’Ambato Boeny, ny alakamisy teo. Na­nao fisafoana nandritra ny alin’io andro io ny fokonolona sy ny zandary. Voasambotra nandritra izany ity olon-dratsy ity. Nentin’ny manam-pahefana hihazo ny biraon’ny zandary izy. […]

Taksiborosy tapaka hisatra: nifatratra tamin’ny kamiao, maty ny mpamily

Ankoatra ireo olona sivy naratra, namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly ny mpamily ilay taksiborosy nifatratra tamin’ny kamiao tao Ranomafana, ny asabotsy teo. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona indray tao Tsararano, fokontany Amba­la­mahasoa, kaominina Rano­mafana, distrikan’Ifanadina, Faritra Vatovavy. Taskiborosy mampitohy ny renivohitra sy Manakara no tra-doza teo an-toerana ny asabotsy teo tokony […]

Menabe : anjakan’ny kolikoly ny hazo sarobidy

Navoakan’ny Transparency International –Initiave Mada­gascar (TI-GM), omaly fa anjakan’ny kolikoly ny fanondranana hazo sarobidy avy any amin’ ny faritra Menabe. Fahavoa­zana goavana ho an’ny firenena, satria manapotika ny tontolo iainana no mahafatiantoka ny fanjakana, araka ny nambaran’ny TI-GM. Betsaka ny kolikoly amin’ ny ambaratonga samihafa , manomboka eo amin’ny fanapahana […]