Taratra

Ambatomaro sy ny manodidina: niverina amin’ny ampahany ny rano

Nahazo rano ny ampahan’ny mponina eny amin’ny faritra iva, manodidina ny banky SG Madagasikara eny Ankadindramamy, nanomboka ny asabotsy 10 desambra tamin’ny 10 ora sy sasany alina teo. Vahaolana vonjimaika no nataon’ny Jirama, nitarika rano avy any amin’ny faritra manodidina, satria simba ny milina mampiakatra rano (sur presseur) eny Ambatomaro. […]

Iray Volana nomerika: mitaky fitaovana teknolojia vaovao

Nandritra ny volana no­vambra, nifarimbona ny eo anivon’ny talem-paritra miisa enina eo anivon’ny ministeran’ny Fampiroboroboana sy ny fanovàna ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fi­fandraisan-davitra (MNDPT)* eto Analamanga, Mahajanga, Toliara, Fiana­rantsoa, Toama­sina ary Antsi­ranana, izay na­natontosana ny hetsika «Vo­lana nomerika» (Mois du nu­mérique). Nianaka nanerana an’i Madagasikara ny […]

Krisimasy sanjila : loka isan’andro ataon’ny MVola

Manokatra lalao Tombolà amin’izao fetin’ny krisimasy sy faran’ny taona izao ny MVola, nomeny ny anarana hoe «Krisimasy sanjila». Lalao ahazoana loka isan’andro sy isan-kerinandro ary hisy loka goavana amin’ny 22 desambra 2022. Miisa 131 ny olona hizarana loka amin’izany. Tsotra ny fandraisana anjara. Mahazo ny CBM2 Vola, ampiasana ny karatra […]