Manana fitarainana avy amin’ny olona ny eny anivon’ny polisim-pirenena, ramatoa mpividy fiara, monina ao amin’ny fokontany Ataboka, kaominina sy Distrikan’Arivonimamo no nivadi-pitokisana ka mampitaraina ireo izay sendra azy. Anisan’ ireo lasibatra ny renim-pianakaviana iray ao Antanifotsy. Nivarotra kamiao lehibe iray tamin’io ramatoa voatondro ho mpisoloky io izy. Misy taratasy fifanarahana […]
Taratra
Efa nesoriny ny voamaso… : tratra teny amin’ i Esopa ny lohan’ilay ankizilahy
Nampihoron-koditra! Voasambotry ny miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Toliara tao Befandriana, omaly, ny lehilahy iray antsoina hoe i Esopa, raindahiny amin’ ny halatra taova. Nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo niaraka tamin’ny zandary tao Andranovorindrangataky, kaominina ambanivohitr’i Soahazo, distrikan’i Morombe no nahatrarana azy. Mbola tratra teny aminy ny lohan’ny ankizilahy […]
Fatim-behivavy hita : sady tsy nisy tanana intsony no lanin’ny alika
Tsy nisy namantarana azy intsony ilay vehivavy hita faty teny Ambohimanambola, ny alakamisy teo. Efa lanin’ny alika ny lohany sy ny tratrany ary nibaribary ny taovany rehetra. Tranga mampihorin-koditra. Nahitana fatim-behivavy iray manodidina ny 40 taona teo nosavoritahan’ny alika tao amin’ny sahan’Antsahala, fokontany Ambohimahatsinjo Ambohimanambola. Afakomaly tokony ho tamin’ny 09 […]
PSG sy Bayern : Gidragidra ny lalao miverina
Ho sarotra tanteraka ho an’ny Paris Saint Germain, klioba frantsay ny lalao miverina amin’ny fifaninanana any Eoropa “Ligue des Champions”, taona 2023. Lavon’ny Bayern Munchen, klioba alemà, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo ny talata lasa teo. Fihaonana izay natao tao amin’ny kianjan’ny Parc de Princes any Frantsa. […]
Malagasy Rugby : mpitsara sivy nomena fiofanana
Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny fampiofanana ireo mpitsara ambony latabatra na « commissaire au match » miisa sivy, izay fito lahy sy roa vavy. Ny Word Rugby no mampiofana ireo mpitsara sivy mianadahy ireo. Araka ny fanazavan’ny tale teknika nasionalin’ny Malagasy Rugby, natao hampivoarana ny fomba fitsaran-dalao ity fiofanana […]





