Taratra

Madagaslam Section Tana: mitohy ny fampiroboroboana ny Slam Poésie

Hanatanteraka atrikasa mahakasika ny Slam Poésie ny Madagaslam Section Ta­nanarive na MST. Ny asabotsy 11 febroary 2023, amin’­ny 10 ora maraina, ao amin’ny Cercle Germano -Malagasy na CGM Anala­kely. Tajero sy Seth Seven no hizara ny traikefany sy ny fahaiza-manaony amin’io fotoana io. Hetsi­ka natao hamaliana ny filàn’ireo mpankafy sy […]

Rehefa nohasarotina… : lany andro mikaroka ny hevitry ny « kanto » ny Malagasy

Manomboka mifanaretsaka ny hevitra samihafa. Mipoitra etsy sy eroa ireo fanontaniana maro. Samy manezaka sy mandroritra ny fahalalana ao aminy ny tsirairay. Tsy mitovy rahateo ny sehatra niaingana, hany ka tsy mety mifameno ny hevitra. Raikitra ny : « ireny ka tena zavakanto » ! « Izany ka tena mpanakanto » ! « Kanto tokoa ny zava-bitan’iny olona […]

Loholona Manasoa Donat Tang : “Aleo hamita ny asany ny filoha”

“Omena malalaka hanapitra ny fe-potoam-piasana no­men’ny vahoaka azy. Ny dimy taona iasany omen’ny lalàmpanorenana azy. Aleo ny filohan’ny Repoblika hi­asa ankalalahana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona voafidy tany amin’ny faritan’i Toama­sina, i Manasoa Donat Tang. Lavin-dry zareo ny fomba mbola hieritreritra hoe hanao fitondrana Tetezamita aty amin’ny fotoana amaramparanana ny […]

Antoko Tim : “Hiaraha-manomana ny fifidianana”

“Aoka tsy omanina irery ny fifidianana. Andao hiara-manomana ny fifidianana ny mpiantsehatra rehetra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Rina Andriamasi­noro, teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly. Taorian’ ny fihaonan’ny antoko tamin’ny birao maharitry ny Ceni no nanaovany ny fanambarana. Mba hialana ny mety ho olana rahampitso sy rahafakampitso ny amin […]

Kaominina Toamasina : ho kandidà ben’ny Tanàna Razafimanana Christian

Nanambara ny ho filatsahany hofidina ho ben’ny Tanàna ao Toamasina, ny Me Razafi­manana Christian. Nambarany fa maromaro ny antony irotsahan’ny olona iray. Misy ny fitsipika ifampifehezan’ny antoko na fikambanana misy azy ka atolotra sy tohanan’ ireo ny te­nany. Manampy izany ny feon’ny fieritreretany fa manana herijika hifaninana ho kandidà noho […]