Taratra

Vondrona Afrikanina: hivory any Addis Abeba ny filoha Rajoelina

Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly teny Iavoloha ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampony eo anivon’ny Vondrona Afri­kana (UA). Hotanterahina ny 18 sy ny 19 febroary izao any Addis Abeba, Etiopia, izany ary hatrehan’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ity rafitra iray lehibe aty Afrika ity. […]

Fikarakarana ny fifidianana: mitaky ny fahaleovantenan’ny Ceni kokoa ny Safidy

Manaraka akaiky ny fikarakarana sy ny fanomanana ny fifidianana ny eo anivon’ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy). Nitondra tolo-kevitra izy ireo tamin’izany. “Tolo-kevitry ny firaisamonina sivily ha­tra­ny ny hoe tokony hatao mafimafy kokoa ny fa­ha­leovantenan’ny Ceni, in­drin­dra eo amin’ny tetibola sy vola”, hoy ny tonia mpanatanteraky ny […]

Basikety – JIOI 2023 : hanala vela amin’i Mayotte ny Cospn

Hotanterahina amin’ny 13 febroary ho avy izao ny lalao iraisam-pirenena taranja basikety, izay hifanandrinan’ny Cospn Madagasikara sy ny ekipam-pirenen’i Mayotte. Ara­ka izany, hanala vela amin’ity farany ao amin’ny kianja Palais de Sport Maha­masina, ny ekipa malagasy. Tsiahivina fa resin’ny vahiny tamin’ny isa 69 no ho 61 ny ekipan’ny polisy nasionaly, […]

Barean’i Madagasikara : nankasitrahan’ny fitondrana ny ezaka vita tamin’ny CHAN

Niaka-dapa ny ekipa malagasy, Barean’i Madagasikara, omaly, rehefa avy nandrombaka ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika (CHAN), taranja baolina kitra, natao tany Alzeria. Nankasitraka ny ezaka vitan’izy ireo ny fitondram-panjakana. Notolorana mari-boninahitra sy nomena fankasitrahana manokana ireo mpilalao sy ny mpanazatra, ary ny ekipa teknika miisa […]