Tao anatin’ny tapa-bolana, nahatratra 106 ireo voasambotry ny polisim-pirenena tamin’ireo fisafoana nataony eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miisa sivy kosa ireo jiolahy lavo nandritra ny fifandonana. Tafiditra amin’izany ireo mpanao halatra miaro herisetra mitam-piadiana toy ny basy sy zava-maranitra. Tsy mitsahatra ny fisafoana na antoandro na alina ataon’ny polisim-pirenena, indrindra […]
Taratra
Ankasina: mpanendaka roa lahy lavon’ny polisy
Lavon’ny polisim-pirenena, afakomaly, ny roa tamin’ireo jiolahy efa-dahy saika hanao ny asa ratsiny tetsy Ankasina. Nanararaotra ny orana nijojo ireo olon-dratsy, saingy nifanehatra tamin’ny polisy. Tamin’io fotoana io, vehivavy hamonjy fodiana nandeha moto no lasibatr’ireo mpanao ratsy. Efa niandry teo amin’ny “rond point Mad Inox” izy efa-dahy. Araka izany, eo […]
Hiatrehana ny ririnina: hanampy an’i Okraina ny « Otan »
Vonona hampitombo ny fanampiany an’i Okraina ny fikambanana lafiny fandriampahalemana ara-tafika, vondron’ny fifanarahana tany avaratry ny Atlantika (Otan). Hanangana indray ny fotodrafitrasa momba ny angovo, izay ravan’ny fanafihana rosiana. Io no tapaka nandritra ny fivoriana nataon’izy ireo tany Bucarest, ny talata teo. Hiatrehana ny ririnina no nanaovana io tetikasa io. […]
Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo: nanao fikarohana amin’ny hazo hanaovana arina (saribao)
Manao atrikasa eto Antananarivo, omaly sy anio, ireo telo mpiara-miombo’antoka : Fofifa-Cirad-Oniversite Antananarivo, manao tomban’ezaka amin’izay vita sy valim-pikarohana vaovao haroso ato anatin’ny dimy taona manaraka (2023-2027). Efa 20 taona mahery no miara-miasa ny telo tonta (DPFB)*, ka tonga eo amin’ny dingana famaranana izao, hanaovana tomban’ezaka isaky dimy taona sy […]
Lalana RN 1Bis : amboarin’ ny Madagascar Oil ny tena ratsy
Nanomboka nivarotra solika menaka mavesatra any amin’ireo orinasa vaventy ny Vakinankaratra ny Madagascar Oil S.A (Mosa), nanomboka ny volana aogositra 2022 teo. Mba tsy hampiato ny famatsiana ataony, miroso amin’ny fanarenana ny tena ratsy amin’ny lalam-pirenena RN 1Bis ity orinasa ity, mampitohy an’i Tsimororo sy Tsiroanomandidy amin’izao fotoana firotsahan’ny orana […]




