Taratra

Ambohimanatrika : roa lahy tratra nifoka rongony teo akaikin’ny EPP

Mirongatra ny fidorohana zava-mahadomelina eny amin’ iny faritra Atsimondrano iny. Voasambotry ny polisy ao amin’ny commissariat central Atsimondrano ny lehilahy roa malaza ratsy amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sady manendaka ihany koa. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, naharay fitarainana matetika hatrany ny polisy ao Tanjombato amin’ny afi­tsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina. Mandray zava-mahadomelina avokoa […]

Fandalovan’i Cheneso: nankahery ireo traboina ny minisitry ny Fitsarana

Maro ireo olona traboina mbola tsy tafarina ny fiainany noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Cheneso farany teo. Isan’ireo nitondra faisana ta­min’izany ny faritra Atsina­na­na. Manoloana izany indrindra nidina tany amin’iny faritra iny ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, nitondra fanampiana sy nankahery ireo traboina, ny asabotsy teo. Ara­ka ny toromarika […]

Rangahy namono ny vadiny : maty voatifitry ny mpitandro filaminana

Hasarotam-piaro diso tafahoatra. Lehilahy iray nahavita namira zava-maranitra sy namono an-dramatoa vadiny raha nahatazana azy niresaka tamin’ny rain-janany tao Ivandriky, Beroroha. Nandrika ny ra tao amin’ ny fokontany Ivan­driky, kaominina Ta­nandava, distrika Beroroha afakomaly tokony ho tamin’ ny 03 ora tolakandro. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona teo no maty. […]

Zava-mahadomelona: roa lahy mpidoroka rongony voasambotra

Voasambotry ny polisy avy eo Atsimondrano ny roa lahy mpidoroka rongony tao amin’ny fokontany Ambohi­manatrika, ny harivan’ny talata teo. Noho ny fitarainan’ny mponina  nanao hetsika fidinana ifotony teny an-toerana izy ireo. Mitarika ireo tanora eo amin’ny manodidina izy mirahalahy ireto ka miafara amin’ny fanaovana asa ratsy izany. Tra-tehaka teo amin’ny […]

Ady amin’ny valala ao Ihorombe : tafatsangana ny kaomitim-paritra

Nanomboka omaly avy hatrany ny ady amin’ny an­diam-balala nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ao Ihorombe. Noho ny fahatsapan’izy ireo ny voka-dratsy ateraky ny fisian’io biby mamotika fambolena io, natsangana ny Komitim-paritra miady amin’ny Valala. Nitarika ny fivoriana « OMC élargie » mahakasika ny valala ny lehiben’ny prefektiora sy ny governora ao Ihorombe, ny talata 7 […]