Natao tany Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny Tsenabe iraisam-paritry ny harena an-kibon’ny tany, niarahan’ny faritra Matsiatra Ambony sy Ihorombe, nokarakarain’ny fitantanam-paritry ny minisitera. Nisy koa ny loabary an-dasy hanatsarana ity sehatra ity. Nampahatsiahivin’ny minisitra Rakotomalala Herinandrainy Olivier, ny paikady, hampidirana ao anatin’ny ara-dalàna ny mpitrandraka madinika, nametrahana ny fari-pitrandrahana […]
Taratra
Tonotolo iainana: niofana momba ny lalàna ireo mpanao gazety
Nanaraka fiofanana tany Ampefy, mikasika ny lalàna mifehy ny tontolo iainana ny mpikambana ao anatin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny herinandro lasa teo. Tanjona ny ahalalan’ny mpanao gazety ny lalàna sy ny elanelana eo amin’ny fiarahamonina sy ny lalàna. Nikarakara azy ny Alliance voahary gasy, ao […]
Kabary – Manda: nivoaka ny andia “Tafita”
Manomboka liana amin’ny resaka lahabolana am-bava ny tanora, ankehitriny. Tontosa ny alahady 27 novambra 2022 tetsy amin’ny Sehatra Maitso Analamahitsy ny lanonam-panandratana ny mpianatra ho mpikabary ny Andia “Tafita” nahitana ny sokajy mpiofana sy mpandalina teo anivon’ny fikambanana Manda. Miisa 132 ny nasandratra ary tanora avokoa ny ankabeazany. Tsara ny […]
Sarimihetsika fohy: hizara ny “Le petit Piaf” i Gerard Jugnot
Mandalo eto Madagasikara i Gerard Jugnot, mpamokatra sy mpilalao sarimihetsika frantsay. Nisy ny valandresaka nataony tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Tana Water Front Ambodivona, omaly. Hizara sy hampahafantatra ilay sarimihetsika novokariny, “Le petit Piaf” izy, izay alefa ao amin’ny Cinepax Ambodivona, ny 27 desambra ho avy izao. Mitantara ny fiainana […]
Fakafaka: Mora lalaovina ny tsy miaina ny kolontsainy !
Mahitsy be ilay fomba filaza, saingy io no ahafahana maneho hevitra ao anatin’ny famakafakana tahaka izao. Ny Malagasy, manam-pahendrena. Ny Malagasy matahotra an’Andriamanitra. Ny Malagasy, tia miray hina sy mifanampy. Ny Malagasy, tia fihavanana. Ny Malagasy, … Marobe ny voalaza momba ny Malagasy. Saika momba ny kolontsaina avokoa izy ireny. […]




