Nitondra ny heviny, manoloana ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fifidianana ny Otrikafo. Maromaro ireo hametrahan’izy ireo ahiahy manoloana izany. “Manao ahoana ny rivotra politika amin’izao mialoha ny fifidianana izao?Raha ny amin’izao aloha, manjaka ny tsy fifampitokisana, indrindra eo amin’ireo rafitra mikarakara fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny Otrikafo, […]
Taratra
Filoha Rajoelina Andry: “Iaraha-manao ireo asa tsy mbola vitantsika…”
Namaranan’ny filoha Rajoelina Andry ny fidinana ifotony tany Manakara ny fitokanana ilay fotodrafitrasa fiarovana ny morontsiraka “Brise-lames”, ao Manakarabe. “Anisan’ny imasoan’ny fanjakana ny fotodrafitrasa manakaiky vahoaka sy ilain’ ny eny ifotony tahaka izao”, hoy izy. Nanteriny fa efa betsaka ny asa vita. Na izany aza, niaiky ny tenany fa tsy […]
Kitoatoa
Nanao ranolava ny fitokanana fotodrafitrasa nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, tato ho ato. Nisy koa ny fametrahana vato fototra isan-karazany, amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Ho avy tsy ho ela, ohatra, ny fiatombohan’ny lalana migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Iza no tsy ho faly amin’izany? Mihazakazaka izay tsy izy ilay […]
Fanararaotana ara-nofo: mpanabe nahabevohoka mpianatry ny CEG
Mahazo vahana ny fanolanana sy fanararaotana ara-nofo any an-tsekoly. Mahoraka ny fiampangana mpanabe iray, omaly. Mitondra vohoka efa ho enim-bolana ny mpianatra kilasy fahavalo (4ème) ao amin’ny CEG iray ao Vavatenina. Vokany, voatery tsy maintsy nampiato ny fianarany ity zaza 16 taona ity. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana, tomponandraikitra […]
Talatamaty: telo lahy tratra niaraka tamin’ny rongony 119 fonosana
Voasambotry ny polisy ny telo lahy mpivarotra rongony eny amin’ny manodidina an’i Talatamaty sy Ambohimangakely, ny zoma 25 novambra teo. Vokatry ny ezaka amin’ny fikarohana ireo mpanaparitaka zava-mahadomelina nataon’ny mpitandro filaminana, sarona tao an-trano fonenany Talatamaty- Faralaza ny roa lahy. Noraisim-potsiny teo am-pivarotana rongony izy roa ireto. Nosavaina, nahitana rongony […]




