Taratra

Toliara- Kolikoly : mitaraina amin’ny afitsoky ny mpiasam-panjakana ny mponina

Mampiaka-peo amin’ny hafitsoky ny mpiasam-panjakana sasany ao an-drenivohitr’i Toliara amin’izao fotoana izao ny mponina ao an-toerana. Milaza azy ho lasibatry ny tsindry hazolena, kanefa tsy manana tompon’andraikitra hitarainana intsony izy ireo. Trangam-piarahamonina ma­romaro toa ny herisetra, fanambaniana, vono olona avy any Ifaty izao no niaka­ran’ny vahoaka miaraka amin’ny sora-baventy, tao […]

Iray fo

Migadona ity ny andro manatantara ho an’ny vahoaka malagasy tsy vakivolo. Hiakatra kianja anio alina ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra na ny Barea de Madagascar. Tafiditra amin’ny lalao manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, natokana ho an’ny Ekipam-pirenena, sokajy faharoa na ireo mpilalao tsy mila ravinahitra any ivelany izany. Miandrandra […]

Very ny 50 tapitrisa Ar : mpiambina nafatotra, vehivavy voaroba

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy, ny vehivavy mpandraharaha iray, omaly. Nafatotra ny mpiambina, noratraina ny tompon-trano. Voaroba ny 50 tapitrisa Ariary. Vehivavy iray mpandraharaha etsy amin’ny fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely no lasibatry ny fanafihan-jiolahy, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny entana maro isan-karazany sy ny vola mitentina 50 tapitrisa Ar, tao an-toerana. “Tokony ho […]

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka : mpamaky trano roa lahy voasambotra

Mitohy ny hala-botry ata­on’ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray naterin’ny fokonolona teny anivon’ny zandary rehefa avy nangalatra tao So­a­tolakandro, fokontany Am­bo­di­vohitra, distrikan’ Ikala­ma­vo­ny, ny 27 janoary teo . Ni­di­na handrehitr’afo tao ambany rihana ny renim-pianakaviana iray. Foana tsisy intsony ny vary 160 kg tao amin’ny fitoerany . Niantso vonjy, arak’izany, io ramatoa […]

Vatomandry : tratra ireo jiolahy namono mpanangom-bokatra

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vato­man­dry, ny talata lasa teo, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana mpanangom-bokatra amin’iny tapany atsimon’i Vatomandry iny. Araka ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’i Va­to­mandry, ny GPHC, Ram­be­lo­son Solo Jean Richard, vo­ka­try ny vela-pandrika nata­on’ny zandary no nahavoasambotra azy tao Ilaka […]