Naneho hevitra ny loholon’i Madagasikara, voafidy, Tsiebo Mahaleo Richard Victor. Aminy, maro ny ezaka tokony hatao hampandrosoana an’i Toliara. « Niangaran’Andriamanitra izahay, nomeny tany lonaka, rano, harena ambanin’ny tany. Aminay, tsy manome zavatra hamono olona ny Mpahary, ka isan’izany ny fasimainty tokony hotrandrahin’ny orinasa Base Toliara ». Notsorin’ny loholona Tsiebo Mahaleo, fa […]
Taratra
Fomba fiasa : voakiana mafy ny Ceni
“Toy ny manao fanahy iniana, angamba, ny Ceni. Tsy mety ny fomba anaovana ny fanisana mpifidy. Nilaza ny Ceni fa mankany amin’ny fokontany. Nefa tsy izay amiko no tokony hanaovana fanisana mpifidy. Tsy vita mandra-pahatonga ny 31 janoary izany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fahefa-mividy izao no ilain’ny Malagasy […]
Fanatsarana ny taham-pamokarana: tantsaha sy teknisianina miisa 30 hiofana any Zimbabwe
Mifandray amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Nandray ireo tantsaha, teknisianina sy injenera ary mpampiofana miisa 30 mianadahy hihazo atsy Zimbaboe ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady teo. Hiofana manokana momba ny fambolena miaraka amin’ny “Foundation for farming” izy ireo izao notsofina rano teny amin’ny Lapan’ Iavoloha izao. Mifanindran-dalana amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana mba […]
Fanentanana ny mpifidy: midina ifotony ireo tanora Tim
Midina ifotony, mitety tanàna sy isam-baravarana ireo tanora Tim. Manentana ny olom-pirenena hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana, izy ireo, amin’izany ary mampirisika koa ny hanarahana maso izany. Eo koa ny fanamarinana ny anaran’ireo mpifidy anaty lisitra. Niainga avy amin’ny toromariky ny birao politika izany hetsika fidinana ifotony ataon’ireo tanora Tim sy […]
Fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Atsinanana : mangataka ny mbola hirotsahan’ ny filoha Rajoelina hofidina
Nanao tohivakana ny fanambarana. Anisan’ny naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, indrindra ny hiatrehana ny fifidianana ny any amin’ny faritra Atsinanana. Niray feo izy ireo amin’izany. “Nifanome toromarika sy nanapa-kevitra ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna ao anatin’ny faritra Atsinanana, faritany Toamasina, fa mangataka ny mbola hirotsahan’ny filohan’ny Repoblika hofidina indray amin’ny […]





