Hatolotra ny fampanoavana anio ireo jiolahy roa voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora teny Fasika Ankadimbahoaka, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanendahana sy fanaovana sinto-mahery eny amin’iny faritra Ankadimbahoaka sy ny manodidina iny ry zalahy ireo. Maro ireo fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisian’ny jiolahy manao ny asa ratsiny […]
Taratra
Omby valo very : rahalahiny ihany nanafika sy namono azy
Maty tsy tra-drano voan’ny bala nataon’ny dahalo ny tompon’omby iray tao amin’ny tanànan’i Soararivato, fokontany Tsinjavina, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny alin’ny alarobia 18 janoary teo. Dahalo maherin’ny folo nitondra basy sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray. Rahalahy iray tampo amin’ny tompon-trano ihany anefa ny iray tamin’ireo dahalo. Nohidin’ ireto […]
Morondava: mpanolana nandrahona olona ho faty
Tsy mampino ny zava-bitan’ny olon-dratsy. Lehilahy iray no tratra ambodiomby nanolana vehivavy iray omaly atoandro, tao Andakabe Morondava. Niditra an-keriny tao an-tranona vehivavy iray 20 taona ity lehilahy ity. Avy eo notereny hiray aminy io. Tsy nanaiky anefa ilay tovovavy ka norahonany ho faty mihitsy ka notolominy tamin’ny sitrapony. Nandritra […]
Nahazo aina kely : nihena ho 4.602 Ar ny sandan’ny 1 euro
Midina tsikelikely indray ny sandan’ny Ariary miohatra amin’ny euro, nanomboka ny herinandro lasa teo. Nisanda 4.602 Ar ny 1 euro ny zoma 20 janoary teo, raha 4.618 Ar ny 19 janoary. Nanomboka nitotongana ny vola malagasy ny herinandro farany ny 20 desambra 2022, nahatratra 4.671 Ar. Niha-nihena ny lanjany ny […]
Faritra Sava : karazana gidro 95 % atahorana ho lany tamingana
Nomarihan’ny Pr Ratsimbazafy Jonah, filohan’ny Gerp (1) fa mila tsara fiarovana ireo karazana gidro any anaty ala manerana ny Nosy. Tsy azo atao ny mihaza, misambotra na mamandrika azy ireny. Vao haingana ny mpiaro ny faritra arovana any Sava no nahavoasambotra olona roa tany Maintialana akaikin’i Vohémar. 46 ireo karazan-gidro […]





