Hanomboka ny fanarenana ny lalam-pirenena fahaenina RN 6, manomboka eo Ambondromamy hatreo Ambanja, mirefy 459 km. Mamatsy vola ny asa ny Banky Iraisam-pirenena, ao anatin’ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny lalana (PDDR) sy ny Asa vonjitaitra sy maika (CERC). Nijery ny fanombohan’ny asa ny minisitry ny Asa vaventy, Hatrefindrazana Jerry, ny […]
Taratra
ANGOVO MAINTSO: hitarina ho 40 MW ny vokatra herinaratra ao Ambatolampy
New Energy Africa (NEA) ao amin’ny Vondrona Axian, GreenYellow, GuarantCO, African Guarantee Fund (AGF), ary Société Générale (SG), niray hina nanambatra renivola 47,1 miliara ariary (manodidina ny 10 tapitrisa euros) ho famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro. Samy manana ny mampiavaka azy amin’ny famokarana angovo azo havaozina ireo mpiara-miombon’antoka ireo. […]
Alahadin’ny tenin’Andriamanitra Iainana fa tsy vakiana fotsiny ny soratra masina
Alahadin’ny tenin’Andriamanitra! “Tsy vakiana fotsiny ny tenin’Andriamanitra fa iainana” hoy i Masera Seheno, tompon’andraikitra eo anivon’ny librairie Md Paoly. Nankalaza ny andron’ny tenin’Andriamanitra ny fiangonana Katolika ny asabotsy teo. Natao teny Analakely izany ka nampisehoana hetsika maro. Anton’ny hetsika ny hanampiana ny olona mba hiomana sy hiaina tsara kokoa ny […]
Mitohy ny andro ratsy : hikija ny orana, hiakatra ny renirano
Mbola mitohy ny andro ratsy hatramin’ny alakamisy. Misy ny fikorontanana noho ny rivotra mafy mahatratra 55km/ ora, arahina tafiotra 65 km/ora. Misy izany ny any avaratra andrefana, afovoany andrefana ary atsimo atsinanan’ny Nosy hatry ny omaly. Hiteraka fanelingelenan’ny fahitana sy fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomasina izany. Voakasik’ izany ny eo anelanelan’Analalava sy Morondava […]
Taom-baovao sinoa: niditra amin’ny taonan’ny bitro
Nankalazaina omaly ny taom-baovaon’ny sinoa. Nifarana ny taonan’ny tigra. Miditra amin’ny taonan’ny bitro ny taona vaovao 2023 ho azy ireo. Nomarihan’ ireo teratany sinoa mipetraka eto Madagasikara, mpampianatra sy mpianatra mandalina ny teny sy ny kolontsaina sinoa ny fitsenana izany, ny Asabotsy lasa teo. Notanterahana teny amin’ny kianja manoloana ny […]





