Taratra

Ho « teteza-miitatra » indray !

Lasa iny ny rivodoza. Nivoaka tsikelikely an’i Madasikara i Cheneso. Manomboka lefy ny heriny. Maro ny takaitra navelany, noho ny ranobe niakatra. Nihanitombo ny lalana simba sy ny tetezana tapaka na mihozongozona. Miandry ny fandraisana andraikitra maika avy amin’ny manam-pahefana ny fanarenana. Tsy indray mandeha rahateo ny rivodoza mandalo eto […]

Tsy olana ny tetibolan’ny Ceni : “Tsy maintsy hirosoana ny fifidianana”, hoy ny praiminisitra

Nitondra fanazavana ny raharaham-pirenena ny Praiminisitra Ntsay Christian, omaly, tao amin’ny TVM. Anisan’ny nitondrany fanazavana ny momba ny fifidianana. “Efa misy ny tetibola. Efa nanao fifidianana hatrany isika ary nahazo fampitaovana sy vola ny Ceni. Tsy olana ny fanampiana ny Ceni ary tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity, […]

67 ha: Jiolahy tratra saika hangalatra

Noraisim-potsiny! Voa­sam­bo­try ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha, afakomaly maraina ny jiolahy iray nikasa hamaky tranon’olona iray eny 67 ha avaratra Andrefana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy no nahazo fampilazana izy ireo fa misy olona tafiditra ao amina tokantrano iray ao amina trano iray. Nandeha […]

Haintrano tao Ambatolahikosoa : lasa lavenina ny vola 28 tapitrisa Ar

Saika hividianana fiara, lasa lavenona ny vola nitentina 22 tapitrisa niampy enina tapitrisa tao amina trano iray tao Ambatolahikosoa – Fiana­rantsoa, ny alatsinainy teo tamin’ny 01 ora maraina. Tsy nisy noraisina, may kilan’ny afo ny trano lehibe iray ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo. Nirehitra ny […]