Taratra

Ambalavao : vehivavy hita faty tao anaty renirano

Nifampitadiavan’ny fianakaviany, vehivavy 20 taona natsinkafon’ny renirano Sa­hambano, anatin’ny fokontany Andranovorimboay, kaominina ambanivohitra Ambani­naniroa, distrikan’Ambalavao, ny 18 janoary teo. Taizan’are­ti­na, nivoaka ny trano ka tsy hita ity vehivavy ity. Nanao fikarohana, araka izany, ny manodidina. Ny Alarobia teo, olona sendra nandalo no nahita fatin-javatra natsikafin’ny renirano. Taitra, nampandre ireo mponina […]

Ekar Ambatomena: mpamaky fiangonana iray voasambotra, roa lahy karohina

Nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana, tra-tehaka ny iray tamin’ny ireo jiolahy namaky fiangonana tao Ambatomena Fianarantsoa. Tra-tehaky ny polisy ny iray tamin’ireo jiolahy namaky ny fiangonana Katolika tao Ambatomena Fianarantsoa, ny alin’ny Zoma hifoha ny sabotsy 14 janoary teo. Nalain’ireo olon-dratsy ny fitaovana toy ny vata marobokotra sy ny fanamafisam-peo. Noho ny […]

Karate-Do Malagasy: mitohy ny disadisa eo amin’ny mpitantana

Efa dila ny 48 ora. Fe-potoana nomen-dRatefina­na­hary Emile, filohan’ny Fede­ra­siona ny taranja Karate-Do Malagasy, hanaovan-dRa­ma­toa Rakotozafy Rosa, tale jeneralin’ny ministeran’ny Fanatanjahantena (MJS), ilay «Certificat de conformité» sy ny «Attestation de fonction». Tonga nitaky izany sy nangataka fihaonana tamin’ity ta­len’ny fanatanjahantena ity, ny solontenan’ny Federasiona izay notarihan’i Emile R. sy ireo […]