Miantso ny hamoahana sazy henjana ho an’ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fanondranana sokatra antsokosoko miisa 112, tranga niseho teny Ambohibao Antehiroka, ny Firaisamonim-pirenena. Manara-maso amin’ny mety hisian’ny mpanelanelana hanakonana ny raharaha izay manam-porofo ny fisian’ireo olom-boafidy miray tendro amin’ny fandrobana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena ny firaisamonim-pirenena. «Manamafy ny […]
Taratra
Mpamaky trano : Naiditra am-ponja ry Tagogo
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, i Tagogo sy ny namany. Jiolahy malaza ratsy amin’ny vaky trano ry zalahy ireto. Nanomboka ny 15 desambra 2024 teo ny fisamborana nataon’ny zandary. Niainga tamin’ny fahatrarana jiolahy mpamaky trano iray fantatra amin’ny anarana hoe i Tagogo teny Ikianja, fokontany Ambohidrazana, Anjeva Gara, ny […]
Mahasolo: Vehivavy hita faty tao an-tranony
Hita faty tao an-tranony vokatry ny fanafihan-dahalo tao Mahasolo, ny 25 desambra 2024, ny renim-pianakaviana iray. Nahazo fampitam-baovao ny zandary notarihin’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahasolo momba ny fisian’ity vonoan’olona feno habibiana ity. Feno ratra ny vatany manontolo. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 […]
Namearison Robert : “Tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika”
Naneho hevitra ny KMF/Cnoe momba ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana. Zon’ny vahoaka ny fahazoana vaovao momba izany, araka ny nambarany. “Tsy tokony hatao takalonaina amin’izany ny fiainam-pirenena. Tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna natao ho an’ny rehetra. Noho izany, tokony havoakan’ny Ceni hatrany ny voka-pifidianana vonjimaika. Zon’ny […]
Noely sy taom-baovao: Nisitraka tolotra ireo zaza navelan’ny polisy maty am-perinasa
Ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny fiomanana amin’ny taom-baovao, tsy nanadino ireo zaza kamboty navelan’ny polisy maty am-perinasa, izay ivelan’ ny ankanin’ny polisim-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny talata lasa teo. Notolorana vary sy kilalao ary kojakoja ilaina andavanandro avy izy ireo, izay natao tetsy amin’ny Hôtel de […]