Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana sy fampitiavana ny mozika klasika iantsorohan’ny Madagascar Mozarteum, hanatanteraka seho lehibe ny Sehatra mpiangaly mozika ao amin’ny Anglikana (SMMA) ny 20 septambra, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro, eny amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro. Seho lehibe, satria, nofantenan-dry zareo manokana ny sanganasan’ireo andrarezin’ny mozika klasika maneran-tany. Anisan’izany […]
Taratra
« Malgasy Design Gaze 2026 »: sehatra ho an’ny forona malagasy
Maro ny manan-talenta sy aingampanahy amin’ny tontolon’ny « design» eto Madagasikara. Ny fampivadiana ny hairaha maoderina amin’ny talenta sy aingampanahin’ny mpamorona no tena hasongadina. «Re Dessin, Re Dessein ». Izay no lohahevitry ny andiany voalohany amin’ny hetsika « Malagasy Design Gaze 2026 », hotontosaina ny 19 septamba hatramin’ny 2 oktobra ho avy izao. […]
Vaovao tambatra
Hanaovana andrana ny godirao any Bemolanga. Hanombohana azy ny ao an-tampon-tanàn’i Morafenobe, ka godirao milanja 300 taonina ho hararaka amin’ny lalana mirefy 400 metatra amin’ny 1,2 km. Hanomboka koa ny fanarenana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Maintirano, tafiditra ao anatin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN1bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano, tanterahin’ny Jenia […]
Fenitry ny fitaovana: arahi-maso ny fampiasana angovo madinika
Tanterahina ao amin’ny Carlton Anosy mandritra ny efatr’andro ny atrikasa momba ny famolavolana ny fenitra amin’ ny fahombiazan’ny fampiasana angovo kely indrindra na « Minimum Energy Performance Standards » (MEPS). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika nasionaly momba ny kalitao (PNQ) sy ny Paikady nasionaly momba ny fenitra […]
Fizahantany: hifantohana ny faharanitan-tsaina artifisialy
Tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny sehatry ny fizahantany. Hankalazaina any Mahajanga, ny 24 hatramin’ny 27 septambra ho avy izao, ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT). Lohahevitra nosafidiana ny hoe « ny niomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy entina hanavaozana ny fizahantany ». Safidy manasongadina fa fitaovana lehibe sady tsy afa-misaraka amin’ny fampandrosoana […]




