Hametraka politika nasionaly vaovao momba ny fampiasambolam-panjakana ny Governemanta. Tanjona ny hanana vina maharitra sy vokatra mivaingana ho an’ny fampandrosoana ny firenena. Hiara-hiasa ny Primatiora, ny Oniversiten’ Antananarivo, ny Imatep ary ny Enam hanamafy ny fandrafetana ny politika nasionaly momba ny fampiasambolam-panjakana. Nanao sonia izany teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly, […]
Taratra
Fantina sy fintina
Hamelo-maso ny antoko eny ifotony ny eo anivon’ny Tim amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Ny Riana. Nohamafisiny fa haverina amin’ny tanjany hatreny anivon’ny fokontany ny antoko. « Hovitaina hatramin’ny oktobra ny fitsidihana sy fanamafisana ny Distim sy ny Comtim ary ny Foktim », hoy izy. Nankasitraka ny fanendrena […]
Tsy sarintsariny hoy ry vazaha
Tsy niala teny an-dapa mihitsy, nandritra ny andro maromaro, ny vahiny mpanara-maso. Nanatrika hatramin’ny farany ny dinika politika izy ireo. Tsy afaka ny mandray anjara fa mitazatazana fotsiny aloha. Tsy manana fahefana hijabaka koa. Na ny filohan’ny Fanavaozana aza tsy nahazo laka, hiteny na hizara hevitra. Natokana ny mihaino sy […]
Fihaonambe momba ny diplaomasia: andrasana ny handrafetana ny “Boky Fotsy”
“Andrasana amin’ny fihaonambe ny fanolorana ireo antontan-kevitra handrafetana ny Boky Fotsy. Antontan-kevitra mirakitra fifandraisana iraisam-pirenen’i Madagasikara sy ny politika ivelan’i Madagasikara, izay hatolotra ny filohan’ny Fanavaozana sy ny Praiminisitra amin’ny 17 septambra ho avy izao”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fihaonambe […]
Fikaonandoham-pirenena: hitondra lohahevitra miisa 12 ny FFKM
Efa eo amin’ny fanofanana ireo mpanamora ny adihevitra amin’ny fikaonandoha ireo komity mandrindra izany amin’izao fotoana izao. Nivoaka ihany koa ireo lohahevitra miisa 12 amin’ny dinika iarahana amin’ny FFKM. Anisan’ny lohahevitra hodinihin’ireo mpizaika ny andry fototra. Anisan’ ny ao anatin’izany ny fitantanan-draharaha sy ny rafi-pitantanana. Ny fampiasana sy ny fahazoana […]




