Mitohy hatrany ny hetsika fizarana fitaovana, ataon’ny Ministeran’ny Jono sy ny toekarena manga. Notanterahina tany amin’ny faritra Boeny, ny fizarana fitaovam-piarovana an-dranomasina na “kit de sécurité en mer”. Nahazo ny anjarany ny mpanjono miisa 100, tao amin’ny fokontanin’i Antsohery. Hetsika izay notontosain’ny ekipan’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga […]
Taratra
Ambatovy: nanome rano fisotro madio
Noho ny tetikasa iray novatsian’Ambatovy vola 212 tapitrisa ariary mahery. Mponina 450 mahery avy amina tokantrano 101 monina ao amin’ny vohitra enina manodidina ny toeram-pitrandrahan’Ambatovy, ao Moramanga no misitraka rano fisotro madio ankehitriny. Nametrahana paompy folo tao amin’ny tanànan’Ampielemana, Ankazotokana, Ambatomain-ty, Ampangadiatrandraka, Behontsa ary Berano. Natao ny 15 desambra 2022 […]
vidim-piainana: antony avy any ivelany no mampidangana azy
Namoaka ny vinavinany ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola momba ny fiakaran’ny vidim-piainana tamin’ny volana jiona 2022. Taorian’ny fandanian’ny depiote ny tetibolam-panjakana 2022 nasiam-panitsiana no nivoahan’izany. Manamafy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola fa noho ny antony avy any ivelany no tena nampidangana ny vidim-piainana. Izany dia noho i Madagasikara […]
Indray mijery
Tomefy olona ny teny Analakely omaly alahady voalohan’ny volana janoary. Saika ambohi-pihaonan’ny maro nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao teny an-toerana. Nifanitsa-kitro ny mpivarotra kilalao sy ny mpividy. Nahitana fianakaviana iray manontolo tonga nitsangatsangana teny Analakely, faly amin’ny fiarahana noho ny taona vaovao. Nifamotoana teny Ambohijatovo ihany koa ny sasany nisitraka […]
Vita fety : maro ireo tokantrano mivaro-pananana sy mitrosa
Anisan’ny volana mafy indrindra amin’ny tokantrano Malagasy ny volana janoary. Matetika, lany nanaovana fety ny vola ka lasa mafy ny iatrehana ny fiainana eo. Fanomezana fahafaham-po ny ankohonana, mifety toy ny olon-drehetra, mihinana hanim-pitoloha, mianjaika, manao fandaniana tsy am-piheverana…Izany no mandany ny vola noraisina ny faran’ny volana desambra ka tsy […]





