Taratra

Filoha nasionalin’ny MMM : «Mila manana fahasahiana isika… hanova lalana»

Niarahaba sy nirary soa ny malagasy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga , Andrianainarivelo Hajo. Nambarany tamin’izany fa notahin-Janahary isika ka afaka handray ny taona vaovao. Niaiky ny tenany fa mbola nisedra olana maro sy fahasahiranana isika ny taona 2022. Na izany aza, tsy atao mahakivy izany fa tsy maintsy […]

Kolikoly, lainga, tsy fandriampahalemana…: hentitra ny hafatry ny kardinaly sy ny arseveka

Samy nampita hafatra amin’izao taona vaovao izao ny kardinaly Tsarahazana Desiré sy ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon. Nanamafy izany koa ny eo anivon’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Nahitsy sy hentitra avokoa ny nambaran’izy ireo. Navoitran’ny hafatry ny kardinaly, tamin’izany fa tsy afa-bela ary tompon’andraikitra mivantana na ankolaka […]

Mila miala amin’ny faran’ny lohany

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao. Amin’ny tonon-taona na fiandohan’ny taona toy izao, miraradraraka ny fifampirarian-tsoa. Mby amin’ny hoe ny hafaliana raha zaraina, mihamitombo; fa ny alahelo, mihamihena. Hatraiza no iainana izay? Tsy vitan’ny falifaliana na famalifaliana ny fiatrehana ny fiainana isan’andro sy ny famakivakiana ny taona; eny, na […]