Taratra

Andian-jatovo nifanafika : voatery nanao tifi-danitra ny zandary

Nanao tifi-danitra ny zandary, nandravana ireo andian-jatovo nifanafika tanana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny ady izay naharatrana olona telo. Naiditra hopitaly ny lehilahy roa izay tena voa mafy. Niafara tamin’ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra ny fifanafihana niteraka faharatrana nataona andian-jatovo tsy nifaranara-tsaina tao Ma­ha­bako, tanàna iray […]

Nambanana basy : mpivarotra voaroba 1 600 000 Ar

Lasan’ny jiolahy enin-dahy nitam-basy ny vola mitetina 1 600 000 Ar tao amin’ny fokontany Namorona, kaominina Anosiparihy, distrikan’i Mananjary, ny zoma 30 desambra teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tsenambarotra, nandroaka ny entana toy ny sakafo sy ny zava-pisotro misy alkaola ireo olon-dratsy. Nambanany tamin’ny basy ny tompon-trano ka tsy afa-nanao inona. Nirifatra nandositra […]

Saika hanafika : jiolahy nandratra vaviantitra voasambotra

Saron’ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny faritra atsinanana, ny zoma tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo ny iray amin’ireo jiolahy ikoizana ao an-toerana. Voatondro ho isan’ireo nanao halatra miharo herisetra tao Ambolomadinika ny herinandro teo, ny tenany. La­san’ireo totakely tamin’izay tokoa mantsy ny poketrana vehivavy lehibe iray. Ankoa­tra […]

Andraharo : mpitondra moto maty nifandona tamin’ny taxi

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tetsy Andraharo, ny alin’ny 31 desambra teo. Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray nitondra scooter. Nifandona tamin’ny ta­xi, namoy ny ainy vokatry ny ratra mafy nahazo azy ny mpitondra moto iray tetsy Andraharo, afakomaly alina. Niaraka nisotrosotro tamin’ny namany io lehilahy io, araka ny fanazavan’ny polisy. « Avy […]

Tsenan’Analakely : mandeha ny varotra « t-shirt »

Manomboka mafana ny andro eto AntananArivo. Ifan­drombahan’ny olona rehetra ny fividianana akanjo manify, toy ny “t-shirt”, eny Anala­kely. Araka ny fanadihadiana, natao omaly, mahalafo “t-shirt” maherin’ny 50 eo ny olona iray amin’izao volana desambra izao. Manodidina ny 7 000 Ar hatramin’ny 25 000 Ar, ny vidiny iray amin’izany. Hita eny avokoa ny […]