Sarona teny amin’i Ledada ny vola sandoka mitentina 1 740 000 Ar, tao Ambalamahatsara, kaominina Ambovombe-Centre, distrikan’i Manandriana, ny alahady teo. Nahazo loharanom-baovao ny zandary fa misy olona manaparitaka vola sandoka ao amin’ny kariera iray ao Ambalamahatsara. Nanao fitsirihana avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nosamborina ny tompon’antoka. Tra-tehaka tamin’izany i Ledada. Nosavaina […]
Taratra
Behoririka : mpiasan’izy mivady taloha ny iray tamin’ny mpanafika
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha fandrobana sy fanafihana mpivady teratany karana, tetsy Behoririka, afakomaly atoandro. Vehivavy roa sy lehilahy telo nirongo basy vita gasy ireo jiolahy voatondro ho nahavanon-doza. Voasaringotra amin’izany ny vehivavy iray efa niasa tao amin’ireo voatafika. “Mpanasa lamban’izy mivady teo aloha ny iray tamin’ireo vehivavy […]
Mpisoloky: efa nahazo 40 tapitrisa Ar tamin’ny Mvola vao voasambotra
Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay lehilahy mpisoloky olona amin’ny Mvola. Voasambotry ny polisy teny Ankaraobato, ny zoma teo, ny tenany rehefa nifampitadiavana. Maro ireo efa voasoloky sy nahazoany vola mitotaly 40 tapitrisa Ar, antony nahatonga ity lehilahy ity nanaovana famotorana. Fomba fanaony, manatona eny amin’ireny Cash-point ireny izy. […]
Asa fikarohana: nosokafana ny ivontoerana « Rasamoelina Joelly Rojo”
Nosokafananyzoma faha-16 nyvolanadesambralasateo, tanyAntanifotsyAndrainjatonyivon-toerana, natokana ho an’nympikarokaantsoina hoe “RasamoelinaJoellyRojo”. Toeranaizaynatsangan’nyprofesoraRasamoelina Henri,miasaaoamin’nyOniverisiten’iFianarantsoa. “Tanjonanyhanampynympikarokamalagasy. Hampirisihanaihanykoanyolom-pirenena ho tiafikarohana”, hoy izy. Ahitanagazetymarobe, nangonin’nympanorina, nanombokanytaona 1976 izany. Mbolamisykoavoka-pikarohana toy ny“Mémoire”sy“Thèse”miisa 3000 mahery. “Manampyihanykoanyolonatiavakybokynyivontoeranasatriamisynybokysarotratadiavinasytsyfahitafiryintsonyaoaminy”,hoy hatranynympanorina. Tsiahivina, fa sadyprofesoraamin’nylafinyfandinihananyfiarahamonina no mpanaogazetyihanykoa Atoa Rasamoelina Henri.
Karate-Open de Paris: hitohy any amin’ny faritra ny fanomanana
Nifarana ny alahady 18 desambra lasa teo, teny amin’ny Akademia Nasionalin’ny Spaoro Ampefiloha, ny fampivondronana ireo mpikatroka 30 mianadahy, taranja karate. Fiofanana hanomanana ireo fifaninanana rehetra miandry ny taranja karate, toy ny “Open de Paris”, hatao ny 20, 21 ary 22 janoary 2023. Tonga avokoa ireo karateka nantsoina hiatrika ity […]





