Taratra

Kitra « Mondial » : maro amin’ireo kalaza no tsy ho hita amin’ny 2026

Tapitra tamin’ny fahombiazana, ny fifaninanana eran-tany taranja baolina kitra na « Mondial », ho an’i Lionel Messi sy Di Maria, mpilalaon’i Arzantina. Azon’izy ireo ny amboaran’ny Mondial 2022, natao tany Qatar, ny alahady teo. Rehefa nandavo an’i Frantsa tamin’ny fandakana « tirs au but », 4 no ho 2, raha toa ka nisaraka ady […]

Basikety-“Ligue en fête” : Amboara 42 no nozaraina

Nizotra araka ny tokony ho izy ny korana nokarakarain’ny ligin’Analamanga, taranja basikety, teny amin’ny Espace Fenitra Bypass, ny alahady 18 desambra teo. Lanonana nentina namaranana ny taom-pikatrohana 2022 no sady nanomezana ny amboara ho an’ireo ekipa mendrika sy nahazo fandresena tamin’ity taona 2022 ity. Amboara 42 no nozaraina nandritra izany […]

Tae-kwon-do WT : “Tokony hifaninana avokoa ny rehetra”, hoy i Franck Tiana

Anisan’ny ligy namerina ny Tae-kwon-do amin’ny lazany teo aloha Analamanga. Manoloana izany, takin’izy ireo ny handraisan’ny mpikatroka rehetra anjara hitazomana ny lentan’ny fifaninanana. Nambaran-dRako­to­ma­nana Franck Tiana, filohan’ny ligin’Ana­la­ma­nga Tae-Kwon-Do, fa tsy tokony hisy izany mpikatroka tonga dia tafakatra fotsiny izany, satria efa tompondaka farany. “Tokony handray anjara amin’ny fifaninanana avokoa […]

Loholona Besoa Erick : “Manohana antsika i Etazonia”

Anisan’ireo niatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy i Afrika, natao tany Washington DC ny filoha lefitry ny Ante­ni­mierandoholona, i Besoa Eric ny herinandro teo. Nam­barany fa nahavelom-bolo ny fihaonana. “Vonona ha­natsara sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Afrika i Etazonia, indrindra fa amin’ireo tena laharam-pahamehana iraisana maneran-tany”, hoy izy. […]

Fifaninanan’ny antoko mpihira : norombahin’ny Apal Bemasoandro ny voalohany

Tontosa ny alahady teo , teny amin’ny tokotanin’ny kaominina Bemasoandro ny fifaninanana hira ho an’ireo antoko mpihira, eo anivon’ny distrikan’Atsimondrano. Norombahin’ny Amboaram-peo akon’ny lanitra (Apal), antoko mpihira eo anivon’ny fiangonana katolika Bema­soandro Itaosy ny laharana voalohany tamin’ny sokajy “Open”. Lasan’ny “Grace choir” kosa ny teo amin’ny sokajy “Gospel”. Naharitra roa volana […]