Taratra

Fiofanana arakasa : namoaka tanora miisa 152 ny INPF

Navoaka ny herinandro teo ireo tanora miisa 152, niofana teo anivon’ny INPF, Ivato. Nisalotra ny anarana “Avo” ity andiany faha-19 ity, rehefa niofanana nandritry ny roa taona. Notolorana ny maripahaizana “Brevet d’Etude Supérieur -BTS” , sy ny “Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée -DFPS” , ary ny “Diplôme de Formation Professionnelle […]

Fiaraha-miasa amin’i Egypte: hampitomboana ny isan’ireo hisitraka vatsim-pianarana

Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, omaly, tetsy amin’ny Lapan’Anosikely, ny ambasadaoron’i Egypte, i Usama Saeed Khalil. Voaresaka ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny niatrika iza­ny fihaonana izany ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ity Andriam­pan­jakana ity, misahana ny fampiasam-bola sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, Rabetsaroana Sylvain. Ni­voitra tamin’izany fa mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasan’ny […]

Noho ny gripa : mandeha ny varotra fanafody

Milahatra mividy fanafody gripa avokoa ny ankamaroan’ny olona, eto an-drenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tsikaritra teny amin’ireo trano fivarotam-panafody “Pharmacie”, izany. Ara­ka ny fanadihadiana natao, ireo fanafody mampitombo hery fiarovana sy izay mampidina hafanana no tena mandeha sy tadiavin’ireo mpanjifa. Nilaza ny dokotera fa mi­rongatra tanteraka ny gripa eto amintsika ankehitriny, […]

Fokontany IIIG Hangar : nohazavaina ny elakela-trano

Nidina teny amin’ny fokontany IIIG Hangar ny solombavambahoaka, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany, Dimbindraibe Ratafika, ny faran’ny herinandro teo, nijery akaiky ny fiainam-bahoaka eny an-toerana. Tsikaritra tamin’izany fa maizina ny tanàna ka nitondra fahazavana tamin’ireo elakela-trano izay tena fandehanan’ny mponina ny tenany. Anjakan’ny tsy fandriampahalemana, noho izany haizina izany teny […]

Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena: nahazo fitaovana avy amin’ny masoivohon’i Frantsa

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny masoivohon’i Frantsa, omaly. Notanterahina teny anivon’ny IFNP Mahamasina izany. Na­hitana fitaovana maro toy ny valizy misy “tablette” 24, ordinatera, video-projecteur, fihainoana, clés USB ary indrindra “edbox” miisa 140. Hisitraka izany ny ivontoeram-panabeazana Lycée anatin’ny faritra 12 manerana ny Nosy raha ny fanazavan’ny […]