Tokantrano iray tany Antsirabe II, ao amin’ny fokontany Mahatsinjo, kaominina Ambohitsimanova, no voatafiky ny jiolahy ny zoma tamin’ny 12 ora alina teo. Nampandre ny zandary ao Ambohidranandriana ny fokonolona avy eo ka raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny zandary. Nisy ny fanakanan-dalana notarihin’ny CB ao Andranomadio tamin’izany. Nitsoaka avy hatrany izy […]
Taratra
Ikalamavony : Basy roa naterina teny amin’ny zandary
Mitohy ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Naterin’ny olon-tsotra teny amin’ny kaompania Ikalamavony, ny Basy roa efa tsy manan-tompo, ny faran’ny herinandro teo. Nanao fanentanana ireo olona minia mitam-piadiana tsy manara-dalàna ny mpitandro ny filaminana. Efa tsy misy velona intsony ny tompon’ireto basy ireto araky ny taratasy misoratra aminy. Tapa-kevitra hamerina ireto basy […]
RN7 : Tovolahy niampita tampoka, vaky loha
Naratra ny tongotra sy ny lohan’ny mpandeha an-tongotra iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana tao anatin’ny lalam-pirenena fahafito, PK317+150 teo Camp-Robin, ny faran’ny herinandro teo. Avy aty Antananarivo nikasa hihazo an’i Toliara ity fiara 4×4 ity. Niampita tampoka, tsy hitan’ny mpamily fiara ny tovolahy iray. Niezaka niala, voafaoka io mpiampita io. […]
Karieram-bolamena: mifamono sy mandoro tanana ny samy mpitrandraka
Tsy mijanona ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana momba ilay savorovoro tao amin’ny kariera Sahatona, distrika Mandritsara andro vitsy lasa izay. Omaly, olona amam-polony indray voasambotra tao amin’ity kariera ity. Anatin’ny famotorana lalina momba ilay raharaha tao Sahatona ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Ankehitriny, manodidina ny roapolo isa ireo voasambotra tamin’iny […]
Fakafaka: Ny manana no manome !
« Ny valala tsy an-tanana tsy atolo-jaza», hoy ny ohabolana Malagasy, manamafy io lamina voajanahary io. Tanora malagasy, tsy manaja raiamandreny. Ny zaza malagasy, tsy manaja mpampianatra, sns. Olona tsy manome hasina. Olona mpanivaiva… Ka izay ananany ihany ange no omeny e! Matoa tsy afa-manolotra haja amam-boninahitra, tsy manana izy izay. […]





