Taratra

FANTINA sy FINTINA

 Nilaza ny hoavy hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny SADC, hatao eto Madagasikara, ny mpanjakan’i Eswatini, Mswati III. Hotanterahina ny aogositra izao ny fivoriana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonany tamin’ny filoha Rajoelina Andry, tany Dubai. Niombon-kevitra ny roa tonta ny hanamafisana ny fiaraha-miasa.  “Mpitarika iray, vina iray, kaontinanta iray”. Teny faneva nandresena lahatra […]

Fitantanana ny CUA: Hijoro ho arofanina Ravololomanana Lalatiana

Nivoaka amin’ny fahan­gi­nany ny mpanolotsain’ny Ta­nàna, Ravalolomanana Lalatiana, manoloana ny fitantanana ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra (CUA). Nambarany fa vonona hatrany ny tenany hijoro sy hitondra ny traikefany eto amin’ny tanàna. “Hipetraka ho ray aman-dreny sy hampita ny fahaiza-manao izahay. Efa nandalo fepotoam-piasana telo ka tsy mety ny mandray baiko fotsiny […]

Mifankatia

  Nafana ny zoma manifika, omaly. Nifanojo rahateo tamin’ny fankalazana ny andron’ny mpifankatia izany. Feno ny trano fisakafoana, maro olona ny trano fandraisam-bahiny. Nandeha ny tsena ho an’ny mpivarotra fanomezana. Tena samy nanao izay mety ny tsirairay, arakaraka ny enti-manana. Raha natao jery maimaika dia hoe: tena mifankatia ilay Malagasy. […]

Fandaharanasa iarahana : Nampivoatra ny teny ifotony ny Pnud sy ny MFFT

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny solontena maharitry ny Pnud, Dr Edward A. Voaresaka ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nifanakalozana tamin’izany ny fanohanan’ny Pnud, amin’ny alalan’ny MFFT, ny fandaharanasa « Rindra ». Miompana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fanatsarana ny […]

TSELATRA

Mpangalatra moto iray tratran’ny zandary, izay niditra antsokosoko tao amin’ny EPP Analamalotra, Toamasina, omaly tamin’ny 09 ora 30 minitra maraina. Natosiny moramora hivoaka ilay moto mipetraka eo an-davarangana, nihevitra izy fa tsy hisy hahita. Nisy mpianatra nahita anefa izy, ary niantso olona hisambotra azy. Tonga teny an-toerana ny avy ao […]