Taratra

Fikaonandoham-pirenena: hitondra lohahevitra miisa 12 ny FFKM

Efa eo amin’ny fanofanana ireo mpanamora ny adihevitra amin’ny fikaonandoha ireo komity mandrindra izany amin’izao fotoana izao. Nivoaka ihany koa ireo lohahevitra miisa 12 amin’ny dinika iarahana amin’ny FFKM. Anisan’ny lohahevitra hodinihin’ireo mpizaika ny andry fototra. Ani­san’ ny ao anatin’izany ny fitan­tanan-draharaha sy ny rafi-pitantanana. Ny fampiasana sy ny fahazoana […]

Tselatra

Fiara vaventy iray niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny fahasimbana teny Ampitatafika, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 minitra. Voasakana nandritra ny ora 2 sy sasany teo ho eo ny fivezivezen’ny fiara, indrindra ny teo amin’ny lalana Anosizato mihazo an’Am­pitatafika. Nandray fepetra haingana hamerenana izany amin’ny laoniny ny mpitandro […]

Vono olona teny ndohatapenaka: roa lahy notanana eny Tsiafahy

Niakatra fampanaovana, notanana am-ponja eny Tsia­fahy, afakomaly, ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny vonoan’ olona teny Andohatapenaka. Nitrangana faty olona teny amin’ny fokontany Andohatapenaka, ny alatsinainy 13 jolay lasa teo. Niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray ny lehilahy miisa telo. Niafara tamin’ny fifamaliana nefa ny fiarahana. Nivadika ho fifampikasihan-tanana. Nitamba­ran’izy roa […]

Ankazobe: mpirahalahy nifanditra, namoy ny ainy ny iray

Namoy ny ainy taorian’ny fifandirana teo amin’ny zokiny lahy ny tovolahy iray 28 taona tao Mahazoarivo, fokontany Antongobato, kaominina Anto­tohazo, distrikan’Ankazobe, ny alahady 6 septambra teo. Namonjy ny tokantrano fonenan’ny zokiny lahy ity tovolahy vao erotrerony ity. Nanako­rotana ny fianakaviana izy ka voatery niantso mpitandro filaminana mba handamina azy ilay […]

Handball – « Can Juniors 2026 »: resy intelo ny Akio Madagasikara

Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny “Juniors”. Resy hatrany ny Akio tamin’ireo lalao telo nataony tao anatin’ny vondrona “B”. “Mbola resy indray …”! Lavon’i Nigeria tamin’ny isa 50 no ho 17, i Madagasikara, omaly, nandritra ny […]