Voalaza fa nisy olana teo amin’ny hisatra ny fiara zotra 186 iray rehefa tonga teo amin’ny tonelina Ambohidahy, omaly atoandro. Nahavoafaoka mpandeha an-tongotra miisa sivy izy io. Namoy ny ainy ny roa, maratra ny fito. Namoa-doza, tetsy ambany tonelina Ambohidahy, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora atoandro, ny fiara taxi-be […]
Taratra
Fanabeazana sy fampianarana: tsy tokony hiankindoha amin’ny vahiny
Raha te hanarina an’i Madagasikara, ny fanabeazana sy ny fampianarana no mila hasiam-panitsiana. Marobe ireo taranja sy zana-taranja mila haverina. Vaky boky, fanabeazana ho olom-banona, fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-manabe sy mampianatra, sns. Ao ihany koa ireo tokony hatsofoka. Fampianarana ireo fomba amam-panao sy ireo rehetra mifandraika amin’izany. […]
Hatsikana Hisedra sehatra irery i Godar
Mihetsika ny tontolon’ny hatsikana. Mipoitra ireo manan-talenta, toa an’i Godar, vonona hitsapa mpankafy. Misy ary maro ny mpanao hatsikana misondrotra izao. Iray amin’ireny Andriampita Miranto, fantatra kokoa amin’ny hoe Godard. Efa tsikaritra tamina seho niarahana mpanao hatsikana maromaro, toy ny «Festival Jôkossô» izy. Fantatra kosa izao fa mitohy miakatra ny […]
Eny amin’ny biraom-panjakana: tokony horaisina tsara ny rehetra
Nanaovan’ny minisitry ny Asa, Denis Franconio Mac, fanamarihana manokana ny fandraisan’olona eny amin’ny biraom-panjakana, omaly, nandritra ny fananganan-tsaina. Mendrika fandraisana tsara mitovy avokoa ireo olona rehetra tonga manatona ireny biraom-panjakana ireny. Na avy aiza ny fiaviany na toy inona endrika ivelany, mitovy avokoa ny olona manan-draharaha eny amin’ny biraom-panjakana. Mendrika […]
Fahadiovan’ny tanàna: voarara ny mandrora, manipy fako eny an-dalambe
Fihetsika mila fehezina ny fandrorarorana sy fanisinan-delo na fandrehofana…. eny rehetra eny. Andoavana sazy ny fanipazana izany eny amin’ny lalam-bahoaka. Sady mandoto tanàna no tsy fahalalam-pomba. Efa fantatra fa voarara kanefa fahazaran-dratsy na iniana atao ny fanaovana maloto eny rehetra eny. Mampahafantatra ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana (CMH) ny […]




