Fiara vaventy iray niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana noho ny fahasimbana teny Ampitatafika, omaly tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 minitra. Voasakana nandritra ny ora 2 sy sasany teo ho eo ny fivezivezen’ny fiara, indrindra ny teo amin’ny lalana Anosizato mihazo an’Ampitatafika. Nandray fepetra haingana hamerenana izany amin’ny laoniny ny mpitandro […]
Taratra
Vono olona teny ndohatapenaka: roa lahy notanana eny Tsiafahy
Niakatra fampanaovana, notanana am-ponja eny Tsiafahy, afakomaly, ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny vonoan’ olona teny Andohatapenaka. Nitrangana faty olona teny amin’ny fokontany Andohatapenaka, ny alatsinainy 13 jolay lasa teo. Niaraka nisotrosotro tao amin’ny toeram-pisotroana iray ny lehilahy miisa telo. Niafara tamin’ny fifamaliana nefa ny fiarahana. Nivadika ho fifampikasihan-tanana. Nitambaran’izy roa […]
Ankazobe: mpirahalahy nifanditra, namoy ny ainy ny iray
Namoy ny ainy taorian’ny fifandirana teo amin’ny zokiny lahy ny tovolahy iray 28 taona tao Mahazoarivo, fokontany Antongobato, kaominina Antotohazo, distrikan’Ankazobe, ny alahady 6 septambra teo. Namonjy ny tokantrano fonenan’ny zokiny lahy ity tovolahy vao erotrerony ity. Nanakorotana ny fianakaviana izy ka voatery niantso mpitandro filaminana mba handamina azy ilay […]
Handball – « Can Juniors 2026 »: resy intelo ny Akio Madagasikara
Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja handball, ho an’ny sokajy zandriny “Juniors”. Resy hatrany ny Akio tamin’ireo lalao telo nataony tao anatin’ny vondrona “B”. “Mbola resy indray …”! Lavon’i Nigeria tamin’ny isa 50 no ho 17, i Madagasikara, omaly, nandritra ny […]
Taxi-be tra-doza tetsy Ambohidahy: olona roa namoy ny ainy, 7 hafa naratra voafaokan’ny fiara
Voalaza fa nisy olana teo amin’ny hisatra ny fiara zotra 186 iray rehefa tonga teo amin’ny tonelina Ambohidahy, omaly atoandro. Nahavoafaoka mpandeha an-tongotra miisa sivy izy io. Namoy ny ainy ny roa, maratra ny fito. Namoa-doza, tetsy ambany tonelina Ambohidahy, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora atoandro, ny fiara taxi-be […]




