Taratra

Haintrano mahatsiravina: entana manodidina ny 700 tapitrisa Ar may

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny fokontany Avaradro­va, kaominina Ambatondra­zaka, omaly. Nanomboka tamin’ny 03 ora sy fahefany maraina teo ny afo ka nandravarava trano fivarotan-kazo ao an-toerana. Vokany, may avokoa ny faritry ny tokotany eo amin’ny 50m2 misy ity tranom-barotra ity. Kilan’ny afo ny entana rehetra, ireo masinina, entam-barotra sy trano […]

Valizin’ny filoham-pirenena: nohadihadina lalina i Mahery Lanto Manandafy

Niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, omaly, i Mahery Lanto Manandafy. Raharaha “valizin’ny filoham-pirenena” no nampiantsoana azy. Naverina eny Antanimora izy. Niverina teny amin’ny fitsarana, omaly ma­raina, i Mahery Lanto Manandafy na i Malama. Nanaovan’ny mpitsara mpanao famotorana fanadihadiana momba ny raharaha « valizin’ny filoham-pirenena » izy. Naharitra adiny iray mahery ny fakana […]

Naneho ny tsy fahafaliana: nidina an-dalambe ny tany Antanetimboahangy

Tsy faly ny mponina sy ny mpanjifa manoloana ity tsy fisian’ny herinaratra any amin’ny tapany andrefan’ Anta­­na­narivo ity. Nidina an-dalambe ny mponina any Antanetimboahangy, mandalo ny lalam-pirenena voalohany (RN 1), kaominina Analavory, distrika Miarinarivo, ny zoma 25 novambra teo. Ny fiafaran’ny tolakandro, manodidina ny tamin’ny 5 ora sy sasany teo […]

FMFP sy QMM : manome fiofanana ireo tanora marobe tsy an’asa

Miara-miasa ny FMFP* sy ny Rio Tinto QMM any Tao­la­gnaro manofana tanora any amin’ny faritra Anosy hanana fahaiza-manao sy ho matihanina hisian’ny fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra. Kaominina sivy (09) no hiasana miaraka, nampahafantarana ny tetikasa azon’ny tanora 300 trandrahina. Nidina tany an-toerana ny tale jeneralin’ny FMFP, Raoe­li­na Andriambololona Pierre […]

Andrefan’Antananarivo: niresaka ny jiro tapaka ny Jirama

Tapaka efa ho herinandro mahery ny tambajotra, miainga eo Anosizato hatrany So­vi­nan­driana. Nidina nitety ireo toerana tsy mbola mahazo herinaratra ny ekipan’ny Ji­ra­ma, notarihin’ny tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra, Randrianarisoa Désiré Marcel, omaly, alahady 27 novambra. Nohazavaina ta­min’ny mponina ny antony teknika nahatonga ny voina, ny fizotry ny fanarenana […]