Hanomboka anio ny asan’ny vaomieran’ny vola ao amin’ny Antenimierampirenena, ary amin’ny 25 novambra 2022 ny fivoriambe momba ny tetibolam-panjakana 2023. Hanao ny fanadihadiana izany kosa ny fiarahamonim-pirenena. Araka ny tatitry ny fanjakana, mikorontana izao tontolo izao noho ny zava-misy eto an-toerana sy maneran-tany. 4,2 % ny tahan’ny harinkarena ho an’ny […]
Taratra
FAKAFAKA: « Madagasikara, tanindrazanay… »
Efa tena mampisalasala, ankehitriny, ny fahamarinan’io tononkira io. Tena tanindrazan’ny Malagasy tokoa ve i Madagasikara ? Sao mba hafanam-po fotsiny ny hamaliana io fanontaniana io amin’ny hoe : « Eny » fa raha ny tena zava-misy, tsy izay intsony. Na izany na tsy izany, tena an’ny razan’ny Malagasy tokoa ity tany ity raha ny […]
Tantara an-tsary: namoaka ny “Trafika” Rafally sy i Rolling Pen
Velombelombolo indray ny tantara an-tsary. Fantatra fa efa nivoaka ny “Trafika”, tantara an-tsary nifarimbonan’i Rolling Pen sy Rafally. “Tantara noforoniko havoaka an-gazety no niantombohany, kanefa hitako hoe tsara kokoa raha hatao tantara an-tsary. Niantso an’i Rolling Pen amin’ny traikefany eo amin’ny fanoratana tantara aho, satria izy no efa niara-niasa tamiko […]
Niditra hopitaly…: miantso tolo-tanana i Janga Ratah
Efa herinandro maromaro izay no tojo tsy fahasalamana i Janga Ratah. Nihombo hatrany ny aretin’ity mpanakanto ity, ka voatery nampidirina hopitaly etsy Befelatanana izy. “Mila vola ny fitsaboana ka angatahana isika namana mpanakanto, indrindra isika mpankafy azy mba hitondra izay voarambin’ny tanana”, hoy ny fanentanana nataon’i Jaojoby, raha tonga nitsidika […]
RFC andiany faha-17: ho avy i Gérard Jugnot, mpanatontosa sarimihetsika
Manana talenta sy fahaiza-manao ny Malagasy, raha eo amin’ny sarimihetsika. Tsy ampy anefa ny fanofanana sy fifampizarana, indrindra ho an’ny tanora eto Madagasikara. Ho fanarenana ny lesoka, hanam-bahiny miavaka ny RFC andiany faha-17. Miditra amin’ny andiany faha 17 ny « Rencontre de Film Court ». Lasa “17ème Madagascourt Film Festival” ny anarany, […]




