Taratra

Karate-2025: Hosantarina amin’ny fampivondronana

Nifarana ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja karate. Hiditra amin’ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2025, afaka herinandro, ny eo anivon’ny Federasion’ny Karate-do Malagasy. Araka izany, fampivondronana avy hatrany no hisantarana ny taom-pikatrohana 2025, ka hotanterahina ny 9 janoary izao izany ary hifarana ny 12 janoary. Ny sokajy Cadets, Juniors ary […]

Jiu-jitsu-2025: Feno ny fandaharam-potoana ho an’ny enim-bolana voalohany

Efa fantatra avokoa ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu breziliana, amin’ny taona 2025. Fifaninanana 5 lehibe no hotanterahina mandritra ny enim-bolana voalohany. Miroso hatrany ny taranja Jiu-jitsu breziliana, eo amin’ny lafiny fifaninanana, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Ho an’ny eto an-toerana, fifaninanana 5 lehibe sahady no […]

Tsaboraha: Fetim-pianakaviana hifampiresahana amin’ny razana, any Betsimisaraka

Anisan’ny fomba ma­lagasy iray ma­tan­jaka any amin’ ny foko Betsimisa­raka ny tsaboraha. Efa miha lefy laza izany ankehitriny noho ny fivoaran’ ny teknolojia. Lanonana ara-drazana mbola tsy lefy laza ny an­tsoina hoe: “Tsaboraha” any amin’ny foko Betsimisa­raka. Fomba amam-panao iray eo anivon’ny rafi-piarahamonina ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana izy […]

FANTINA sy FINTINA

Voafidy vonjimaika ho ben’ny Tanànan’ Antso­­hihy, ny mpanakanto, i Vaney’s. Nahazo ny sa­la­nisa 49% mahery ny tenany amin’izao firotsahany amin’ny mahaleo tena izao. Efa nirotsaka kandidà de­pioten’Antsohihy ny tenany saingy tsy lany. Tsiahivina fa vadin’ny depiote teo aloha, efa nodimandry, Jao Jean, ity mpanakanto lasa ben’ny Tanàna ity. Tsy nitsitsy […]

Andriamanana Nivoarivony : “Aleo mitory ny kandidà rehefa manana porofo”

“Aleo ao anatin’ny fitoniana hatrany no iandrasana ny valim-pifidianana havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny firaisamonina sivily Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andria­manana Nivoarivony, teny Ala­robia, omaly. Ny amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly no nanambarany izany. […]