Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana tetsy Ampefiloha Ambodirano, afakomaly, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, ny raim-pianakaviana iray, mpanao Cash point. Avy nanao ny asany mahazatra teny Andohatapenaka izy. Nanidy ny tsenany rehefa tamin’ny 6 ora sy 10 minitra hariva teo ho eo. Nandeha tongotra nihazo ny trano fonenany teny Ampefiloha Ambodirano […]
Taratra
Niampita arabe tampoka: lehilahy iray maty voahitsaky ny kamiao
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, omaly maraina. Voahitsaky ny kamiaobe iray, tao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ampasimbe, disitrikan’i Brickaville ny lehilahy iray. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandariamariam-pirenena, niampita arabe tampoka izy, tsy hitan’ny mpamilin’ilay fiarabe. Vokany, notetezin’ny kodiarana havian’ ny fiara ny lohan’ilay lehilahy. Sady vaky […]
Vidin-tsolika: nisy fiakarany 200 Ar ny lasantsy SP 95
Niakatra ho 5 300 Ar ny litatry ny lasantsy SP 95, nanomboka ny sabotsy 5 septambra teo. Izany hoe, nisy fitomboana 200 Ar/l raha oharina ny vidiny teo aloha, izay 5 100 Ar/l. Tsy nihetsika ho 4 860 Ar/l kosa ny gazoala (GO), sy ny solitany fandrehitra (PL) 3 710 Ar/l. Tamin’ny fiandohan’ny volana […]
Mirongatra ny fanafihana: polisy iray naratra voatifitry ny jiolahy teny Anosipatra
Jiolahy roa no nikasa hanafika teny amin’ny manodidina ny trano dimy Ampangabe, afakomaly hariva. Tonga ara-potoana nisoroka izany ny polisy roa lahy avy eny Ilanivato. Voatifitry ny jiolahy ny iray tamin’ireo polisy ka naratra mafy. Poa-basy miisa roa no henon’ny mponina teny amin’ny manodidina ny Trano dimy, fokontany Ampangabe, afakomaly, […]
Lohataona 2026: hasongadina any Menabe ny tantara sy ny kolontsaina
Hatao any Morondava, faritra Menabe, ny 14 hatramin’ny 18 septambra 2026 ho avy izao, ny taombaovao iraisan’ny Malagasy na ny fankalazana nasionalin’ny Lohataona 2026. Fotoan-dehibe hampivondronana ny Malagasy mba hampiseho ny fihavanana, ny firaisankina ary ny firaisam-pirenena ny fankalazana, raha ny fanambarana nataon’ny komity mpikarakara tetsy Antaninarenina, omaly. Hiavaka ny […]




