Taratra

Fantina sy fintina

Ny Vondron’ny Hetsika Federaly sy Vovo­nana itambaran’ny Federalista Malagasy ary ireo an­toko politika samihafa miisa 80 mahery indray no noraisin’ny filohan’ny Fanavaozana teny Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra hatrany ao anatin’ny dinika fakàn-kevitra ho fanomanana ny fifidianana ny fifanakalozana. “Ny fikaonandoham-pirenena no tompon’ny teny farany”, hoy ny KMF/Cnoe momba […]

Ahina hiverina…

Mahasaro-piaro mandrakariva ny raharahan-tokan­tranon’ny tena. Vao mainka ny fiandrianampirenena… Ny ady an-trano na ady an-toerana no mahatonga ny hafa ivelany hiditra tsy fidiny amin’ ny raharahan’ny tena? Manelingelina na manohintohina azy tsinona, Sao alain’ ny hafa tahaka any amin’izay misy azy ny korontan-dava, ny tsy fahaiza-mifandamina an-toerana… Ny soa, fianatra; […]

Antenimierampirenena – Saran: malahelo amin’ny tsy fahazoany ny zony

Efa ela no nangataka ny hisitraka ny zony ny sendikan’ ny mpisotro ronono eo anivon’ny Antenimierampirenena (Saran). Efa nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena ihany koa izy ireo, saingy tsy mbola voaray hatreto. Malahelo, araka izany, ireto mpiasa misotro ronono ireto amin’ny fahazoany ny zony. Nisy fotoana efa noraisin’ny filohan’ny Ante­nimierampirenena […]

Filohan’ny Fanavaozana: “Fotoana itsaran’ny vahoaka ny mpitondra izao”

Nitarika ny lanonam-panokafana ny hetsika “Festival du citron”, tany Manandriana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Nambarany fa fotoana hitsarana azy sy ny fitondrana tarihiny izao. “Fotoana itsaran’ny va­hoaka ny mpitondra izao”. Io ny kabarin’ ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny fanombohana ny “Festival du citron”, […]

Tselatra

Lehilahy iray 50 taona, nitondra moto, no tra-doza teny amin’ny Katsaka, Ambatomirahavavy, omaly hariva tamin’ny 6 ora latsaka 10 minitra. Nitondra moto izy, ary efa tsikaritry ny nivilavila. Nifanohitra tamin’ny taxi-be nifanena taminy izy ary naratra mafy. Fatin-jazakely tombanana ho telo volana no hita nisy nanary teny amin’ny sisin-tanimbary, Ambanin’ny […]