Taratra

Fiahiana ara-tsakafo: hanome vary 7,9 miliara Ar i Japon

Mifanohana ny firenena japoney sy i Madagasikara ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy amin’ny fiahiana ara-tsakafo. Nanao sonia fifanarahana mifandraika amin’ny Fandaharanasa tohana ara-tsakafo ho an’ny taona 2026 ny masoivohon’i Japon eto amintsika, Tojima, sy ny mi­nisitry ny Raharaham-bahiny, Alice N’diaye, ary ny minisitry ny Fambolena sy ny faha­vitantena ara-tsakafo, Gaëtan Ramindo, […]

Vaovao tambatra

Vonona hanohy sy hanatanteraka ny fanamboarana ny arabe migodana (voie rapide) ny Samcrete. Voakasik’izany ny ampahany faharoa, miainga eo Anjo­zorobe hatrany Toamasina. Tsiahivina fa madiva ho vita ny ampahany voalohany, Ambodifasina-Anjozorobe, mirefy 80 km. Efa voaravona ny tany amin’ny 85 km, vita godirao ny 65 km. Maherin’ny 1 000 ny Malagasy […]

Fiarovana ny ranomasina: mifanome tanana ny FAO sy ny MPEB

Hampihena ny fandotoana an-dranomasina sy ady amin’ ny “pêche fantôme”. Ireo no votoatin’ny tetikasa tohanan’ny FAO, iarahany amin’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Kendrena ny hampiroborobo ny fitantanana maharitra ny harena an-dranomasina sy ny toekarena manga. Nikaondoha sy nampahafantatra ny fivoaran’ny tetikasa fanamafisana ny fitantanana ireo fitaovam-panjonoana nilaozana, […]

Vontovorona: nosoloina ny tariby mitondra herinaratra mirefy 400 m

Misitraka famatsian-jiro araka ny tokony ho izy ny mponina eny Vontovorona. Tanteraka izany satria nosoloina vaovao daholo ny tariby mitonda herinaratra ao an-tanàna. Efa antitra daholo ny tariby mitondra herinaratra eny amin’ny tanànan’i Vontovorona, kaominina Ala­kamisy Fenoarivo. Miantraika amin’ny famatsian-jiro isan-tokantrano izany, satria, mi­dina sy miovaova ny tanjaky ny herinaratra, […]