Taratra

« Roi du Ring » : Nanokafana ny taona ho an’Analamanga

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ilay katrokady « Roi du Ring », taranja Ady totohondry. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga ho fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 izy ity. Nambaran’ny filohan’ny ligy, Ranaivo Herivonjy Thierry, fa tanjona ny hamerenana indray ny lazan’ny ady totohondry eto Analamanga. Izany indrindra no […]

Norasarasainy ny vadiny : Voasambotra ilay lehilahy nahavanon-doza

Tratran’ny mpitandro filaminana ny lehilahy namono nahafaty ny vadiny tao amin’ ny kaominina Anivorano Atsi­nanana, distrikan’i Bricka­ville, afakomaly. Efa manana za­naka roa tamin’ny vadiny teo aloha io lehilahy io saingy tsy mbola nifampiteraka izy sy ilay vadiny vaovao. Nanga­taka vola tamin’ny vadiny vaovao ilay lehilahy, izay nilaza fa marary ny […]

Tetikasa Sambatra: Mpanao taozavatra miisa 67 nofanina

Nosokafana ny talata 27 mey teo, tetsy Andavamamba, ny fanofanana arakasa ho fanohanana sy fampivoarana ny tanora sy ny vehivavy tokan-tena. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA) amin’ny alalan’ny tetikasa Sambatra, sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ary ny fikambanana Action et Education, ao anatin’ny tetikasa Sandratra. Tsiahivina […]

Tournoi-FDS : Nomena fitaovana ny mpitandro filaminana

Ho mariky ny firaisankin’ny governemanta, nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny mpitandro filami­nana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Natao omaly, teny Ampahibe, izany. Nanolotra fitaovana sy kojakoja ara-panatanjahantena ho an’ny minisiteran’ny Foloalindahy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’i Moutsa­pha Abdulah Marson, omaly. Natao ho […]

SOMBIM-BAOVAO

Ao anatin’ny fanomanantena tanteraka ny Makis de Madagascar, sokajy lehilahy, eo amin’ny rugby lalaovina olona 7, amin’izao fotoana izao. Hano­mana ny fifaninanana «Africa Men’s Sevens Cup». Fihaonana hotanterahina atsy amin’ny Nosy Maurice, ny 21 sy ny 22 jona ho avy izao. Hotanterahina eto Antananarivo, manomboka ny 6 aogositra izao, ny […]