Tontosa teny amin’ny kianja Ankatso, ny sabotsy lasa teo, ny “Grand Open” taranja Tsipy kanetibe nokarakarain’ny ligy Analamanga. Nanohana ny lalao ary nanolotra ny amboara sy ny fanomezana rehetra tamin’ity, i Kawindre Tsakou, teratany karana. Nisongadina teo amin’ny veterans, i Lam sy i Mbolanamana izay nandresy an’i Hery sy i […]
Taratra
Karate – Tompondakan’Analamanga : Nisavoritaka fa nisy seksiona roa Antananarivo
Nisy disadisa ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja karate ny sabotsy lasa teo, teny amin’ ny kianja mitafon’Ankatso. Nanana seksiona roa mantsy Antananarivo Renivohitra tonga teny an-toerana ka izay no nisian’ny olana. «Nahavita ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona izahay ny 22 aogositra lasa teo. Nahazo tapakila hiatrehana […]
Barean’i Madagasikara : Nesorina tanaty lisitra i Zacharie Boucher
Taorian’ny kiana sy fanehoan-kevitra isan-karazany, nalana tao anatin’ny lisitry ny Barea i Zacharie Boucher. Nitsipaka ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra ny federasionina. Nikoropaka ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) manoloana ny fanehoan-kevitry ny mpankafy baolina kitra. Ireto farany izay tsy mankasitraka ny fanendrena an’i Zacharie Boucher ho mpiandry tsatoby ny Barea. […]
Fitsarana ny fifidianana : Mitaky fomba fitoriana tsotra ireo ben’ny Tanàna
Anisan’ny tolokevitr’ireo ben’ny Tanàna, natolotra teny Iavoloha ny momba ny fitsarana sy fitarainana eo anivon’ny HCC. Tokony ho antoka iray lehibe amin’ny demokrasia ny zo hanao fitarainana. Navoitran’ireo ben’ny Tanàna amin’izany tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana izany ny fitsipika momba ny fitoriana eo anivon’ny HCC. « Tokony hazava tsara ny antony […]
Ralaiseheno Guy Maxime : « Tokony hiaiky ny fahadisoany ireo depiote »
Nohamafisin’ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ralaiseheno Guy Maxime, fa anisan’ny manana fahadisoana amin’ny zava-miseho ankehitriny ny depiote. Tokony hiaiky heloka izy ireo, hoy izy. Naneho ny heviny manolona ny toe-draharaham-pirenena ny mpanolotsain’ny filohan’ny fanavaozana sady mpitarika ny vondrona Komity ho an’ny fanorenana ifotony (KFIM), Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy nitsitsy fitenena […]




