Nijery ifotony ny fonjan’Imerintsiatosika ny eo anivon’ny CNIDH, amin’ny maha rafi-pirenena ho fisorohana ny fampijaliana azy. Niompana tamin’ny fijerena ny endrika hisitrahan’ny voafonja ireo zo fototra sy ny fomba entina hanafainganana ny raharaham-pitsarana rehetra ny fitsidihana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Nanatanteraka ny asa tagnamaro ny eo anivon’ny Antenimierandoholona, omaly. Nanadio […]
Politika
Depiote Raby Savatsarah : “Tokony handray ny andraikiny ny mpanohitra”
“Tokony hijery izay anjara birikiny koa ny eo amin’ny fanoherana: inona no tokony hataon’ny tena ho an’ny firenena? Tsy mitabataba miteny fotsiny ny asan’ny mpanohitra. Tsia. Mila mandray andraikitra koa izy ireo”, hoy ny depiote voafidy tany Farafangana tamin’ny anaran’ny tsy miankina, Raby Savatsarah Ain’Harimanga Gabrielle, manoloana ny fihetsiky ny […]
Fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana: Hikarakara atrikasa ho an’ny mpiantsehatra ny Ceni
Mitohy ny asa na efa vita aza ny fifidianana. Nambaran’ny filoha lefitry ny Ceni fa mandray sy mihaino ary manome lanja ny hevitry ny mpiantsehatra izy ireo “Anisan’izany, ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy, mandray ny hevitry ny mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana”, hoy ny fanambarana nataon’ny Filoha lefitra voalohan’ity […]
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana samboady ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny Tanàna, miisa 50 mianadahy any amin’ny faritra Itasy. Nitsodrano azy ireo hahavita be ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nanentana ireo ben’ny Tanàna izy mba hijery ny mahasoa ny vahoaka ao aminy sy tena hampandroso ny kaominina tantaniny. Ny momba ny […]
Fampandrosoana eny ifotony: Napetraka ny drafitra fivoaran’ny tanànan’i Mahajanga
Natolotra amin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo ny drafi-panajariana an-tanàn-dehibe an’i Mahajanga “Plan d’Urbanisme Directeur – Pudi”. Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Efa nialohavan’ny fankatoavana natao tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 26 marsa 2025 lasa teo izany. Nambaran’ny tomponandraikitra […]