Politika

Filoha Rajoelina Andry: Niatrika ny fandevenana ny Ray Masina François

Voalevina tamin’ny sabotsy ny Papa François, lehiben’ny fiangonana Katolika Romana. Nanatrika izany, nisolotena ny Malagasy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry mivady Nanainga avy hatrany nihazo ny tany Vatican ny delegasionina, taorian’ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny COI, natao teny Ivato. Navoitran’ny fanambarana teo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika fa maneho ny fiombonam-po sy […]

FANTINA sy FINTINA

Iaraha-mitantana ireo Nosy malagasy, araka ny fanamafisan’ny filoha Frantsay, raha nanontanian’ny mpanao gazety, afakomaly. Nambarany fa hitohy ny dinika eo amin’ny vaomieran’ny firenena roa tonta, ny 30 jona izao any Paris. “Tsy tokony hisy olana izany fihaonana izany. Mirona kokoa amin’ny fiaraha-mitanana ny Iles Eparses izahay”, hoy izy. Mpitondra fivavahana, […]

Fampandrosoana ny kaominina : Nofanina momba ny fitantanam-bola ny ben’ny Tanàna

Niompana momba ny fi­tantanam-bola sy ny fitantanan-draharaham-panjakana ny fampiofanana andiany voalohany ho an’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ho an’ny faritanin’Antsiranana. Nitarika izany tetsy Anosikely, ny kestoran’ny Antenimieran­do­holona, Eddie Fernand, efa ben’ny Tanànan’Antalaha teo aloha. Nampitaina amin’ireo mpitantana eny ifotony koa ny momba ny tontolo fitantanana kaominina sy haitarika ary ny […]

Fiketrahana Masina ao Vatican : Halevina anio ao Santa Maria Maggiore ny papa Fransoa

Hitodika any Vatican, ny mason’izao tontolo izao amin’ny handevenena ny papa Fransoa. Hotante­rahina anio, amin’ny alalan’ny sorona Masina eo amin’ny kianja Bazilikan’ny Md Piera izany. Hapetraka ao amin’ny Ba­zilikan’ny “Santa Maria Maggiore”, araka ny efa hafatra napetrany ny nofo mangatsiakany. Ialoha­van’ny eokaristia Masina fitrotroana am-ba­vaka sy fisaorana an’Andriama­nitra izany. Hanao […]

Lisi-pifidianana : Efa miverina eny amin’ny distrika

Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, omaly, fa efa manomboka miverina eny anivon’ny distrika ny lisi-pifidianana rehefa nosokafana tamin’ny olom-pirenena nandritra ny 20 andro. Natao izany mba hanamarinany na hitondrany fanitsiana ny mombamomba azy, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni. Araka izany, efa miroso miandalana amin’ny fandrafetana sy fampidirana ny lisitra anaty […]