Naneho hevitra ny momba ireo Nosy Malagasy ny depiote, Ratsiraka Sophie. “Miaraka miaiky isika fa tsy mbola manana fitaovana entina miaro sy mitrandraka ny zava-misy ao”, hoy izy. Nanteriny anefa fa tokony isika Malagasy no tsara miresaka matotra sy mametraka raha hiara-mitantana ireo Nosy ireo, ahafahana mijery ny fepetra rehetra […]
Politika
Mpandimby ny papa François : Raikitra ny fanomanana ny fifidianana
Tsy miandry ela! Hotanterahina, manomboka ny alarobia, fahafiton’ny mey ny fikatonan-trano “Conclave”, hifidianana ny handimby ny toeran’ny papa François, taorian’ny fodiamandriny. Efa nanomboka nivory, omaly, ireo kardinaly rehetra tonga any Vatican amin’izao fotoana izao nandinika ny ho fizotry ny fifidianana ho eo amin’ny toeran’ny fiketrahana Masina. Anisan’ny notapahana tamin’ izany […]
Fitsarana momba ny kaonty: Arahi-maso ny fitantanam-bolan’ny kaominina
Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao Fianarantsoa, ny tatitra ampahibemaso momba ny fitsirihana ny fampiasana ireo volam-panjakana. Teo koa ny fanofanana ireo ben’ny Tanàna. Nitarika izany ny eo anivon’ny Fitsarana momba ny kaonty ho an’ny fitsarana ara-bola. Anisan’ny nisongadina koa ny fanentanana sy fampiofanana fohy ireo andraikitra sy lalàna momba […]
FANTINA sy FINTINA
Naneho fiaraha-miory amin’ny Ekar ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Anisan’ireo tonga nitsapa alahelo teny amin’ny Nonce Apostolika sy nanoratra tao aminy boky volamena ny tenany noho ny fahalasanan’ny papa François. Notanterahina teny Ivandry, ny alakamisy teo, izany fanehoana ny fiombonam-po amin’ny mpino katolika izany. Naneho fiombonam-po sy fankaherezana ny […]
Otrikafo Rabevahiny Elia: “Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy”
“Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, teny Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanambaran’ny filoha Frantsay fa ny fiaraha-mitantana no hodinihina. Fanekena faharesena sahady manoloana ny adihevitra ny fiaraha-mitantana. An’ny Malagasy ireo Nosy ireo eo amin’ny lafiny […]




