Politika

Matac II – MFFT ; Nisitraka fitaovana informatika ireo kaominina 21

Natolotry ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), afakomaly, tetsy Anosy, ny fitaovana sy kojakoja informatika ho an’ireo kaominina, miisa 21. Tafiditra amin’ny Matac II izao fampitaovana izao. Fitaovana maoderina entina hanatsarana ny fitantanana eny anivon’ireo kaominina miiisa 21 eto Antananarivo sy ny manodidina izany natolotra izany. Nambaran’ny […]

Tetikasa Produir – MFFT : Fianakaviana miisa 84 nisitraka trano

Notanterahina ny 26 avrily teo ny antsapaka entina mizara ny tranon’ireo fianakaviana miisa 84 hisitraka ireo toeram-ponenana vaovao. Tafiditra amin’ny tetikasa Produir eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany. Notontosaina tamin’ny fomba mangarahara ary natrehan’ny vaditany sy ireo mpiara-miom­bon’antoka rehetra, indrindra ireo tokantrano miisa 84 ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nandinika ny fiaraha-miasa manoloana ny tambajotran’ny mpanao kolikoly sy ny momba ireo tsimatimanota ireo rafitra miady amin’ny kolikoly, omaly, teny Andohatapenaka. Anisan’izany CSI, ny Bianco, ny Arai. Nohamafisina koa ny fandraisan’ny tsirairay andraikitra ho amin’ny fanatanterahana ny paikady nasionaly, iadiana amin’ny kolikoly. Voafetra fa tsy manana fahafahana momba ny fifanolanana […]

Andrianainarivelo Hajo: “Mitaky fahasahiana ny fifandraisana iraisam-pirenena”

Naneho ny heviny, manoloana ny toe-draharaham-pirenena tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, Andria­nainarivelo Hajo. Notsiahiviny tamin’izany fa tena nasehon’ny filoha Kaomorianina, Azali Assoumani, ny fahambonian’ny fiandrianam-pirenen’izy ireo. Mazava koa ny fanapahan-kevitry ny Firenena mi­kambana (ONU) fa miverina amin’ny Malagasy ireo Nosy manodidina “Iles Eparses”, araka ny fanamafisany. “Re­saka hafa […]

Fihaonana an-tampony manaraka : Maka bahana ny fanjakana handray ny fivorian’ny Sadc

Efa eto amintsika amin’izao fotoana izao ireo iraky ny eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hijery ny fanomanan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ity vondrona ara-toekarena ity. Mitarika ny delegasionina tonga eto Mada­gasikara ny sekretaria eo anivon’ny Sadc, ny tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny mpiasa, tarihin-dRadaody Ralarosy Bodo Tantely. Anton-dian’izy […]