Politika

Filohan’ny Fanavaozana : “Finoanoam-poana ny fakana zaza varira”

Nitsidika ny ivontoeram-pampianarana ireo olona manana toe-tena varira ny Filohan’ny Fanavaozana, omaly. Nambarany, nandritra izany, fa finoanoam-poana ny fakana ireo zaza varira. “Ny finoanoam-poana no mahatonga an’io. Raha olona mitodika amin’Andriamanitra, tsy ma­hasahy mikitika an’ireto ankizy ireto”, hoy ny filohan’ny Fa­navaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, tamin’ny fitsidihan’izy mivady […]

FANTINA sy FINTINA

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa. Tonga nanao […]

Depiote Rajerison Antoine : “Tsy mipetraka sy tsy voahaja ny etika sy ideolojia politika”

“Mandeha ny resaka hoe horavana ny Antenimierampi­renena. Eo koa ny hoe hoesorina ny mpikamban’nyy birao maharitra. Hita hoe misy karazana depiote amin’izao na teo aloha sy olompirenena mivondrona manangana fikambanana na vovonana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny […]

Bruno Fuchs : Nandiso ny feo miely fa iraka manokana no anton-diany

Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara, nanomboka tamin’ity herinandro ity, ny delegasionin’ny Antenimierampirenena frantsay. Tarihan’ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny eo anivon’ny Antenimierampirenena frantsay, i Bruno Fuchs, izany. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, teny amin’ny Masoivoho Frantsay, Amba­tomena, omaly, ny filohan’ny kaomisionin’ny raharaham-bahiny, eo anivon’ny Anteni­mi­­erampirenena frantsay, i Bruno Fuchs. Ny anton-diany eto […]

Fitaterana : Ho hentitra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana

Ialohavan’ny fanentanana ny sazy, araka ny fanamba­rana sy fampahafantarana. Nampitovy tadin-dokanga eo amin’ny fanajana ny lalàn’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana ireo tomponandraikitra misa­hana izany. Handray fepetra hentitra ny minisiteran’ny Fitaterana sy ireo rantsamangaikany, ahitana ny avy amin’ ny Antokondraharaha momba ny fitaterana an-tanety sy ny avy amin’ny DSPAR. Mana­mpy azy […]