Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. «…Tena sahirana ny vahoaka… Ilaina ny fahasahiana mijoro sy manova ho amin’ny tsaratsara kokoa», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny lahateniny, tetsy Ankerana. Nambarany fa […]
Politika
Fivoahan’ny voka-pifidianana: Ben’ny Tanàna roa tsy hita ny nanjavonany
Maromaro ireo ben’ny Tanàna vao voafidy no ahina ho voasaringotra amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Nofidin’ny vahoaka any an-toerana tamin’ny salanisa 65% ny tenany na tsy afaka nanao propagandy aza. Ny ekipany ihany koa no nametraka ny an-tontan-taratasy firotsahany. Efa namoahana didy fampisamborana avy amin’ny […]
Tsy fahatomombanana : Haverina ny fifidianana amin’ny kaominina maromaro
Anisan’ny nanamarika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao ny 11 desambra teo ny tsy fahatomombana sy ny tsy fanarahan-dalàna na koa ny hosoka. Teo koa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana. Anisan’izany ny tany amin’ny faritanin ‘i Fianarantsoa ka tsy maintsy haverina ny fifidianana amin’ ny kaominina miisa efatra. Eo ny tany amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony ho samy tomponandraikitra ny rehetra ary aoka hanatanteraka ny adidiny ny tsirairay, araka ny nambaran’ny depiote Rakotoarisoa Jhonny, afakomaly. Nametraka ny ben’ny tanànan’Ivato ny tenany tamin’ izany ary nanentana ny rehetra mba tsy hifanome tsiny na hitsikera befahatany. “Aoka isika ho mpitondra vahaolana”, hoy izy. Nampahafantatra ny lanjan’ny fiarahamonim-pirenena […]
Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Ampy izay ny korontana politika”
“Efa ampy izay ny korontana politika sy ny fikorontanana mitranga. Maniry hifantoka amin’ny fiainany sy ny asany andavanandro ny vahoaka. Tonga ny fotoana mba hahazoantsika hiara-miasa ao anatin’ny fahatoniana, hiala amin’ ny ady sy ny fifandrafiana, ary hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana”. Io ny kabarin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana […]




