Politika

Fanatsarana fomba fiasa : Homena tolotra tsara ireo ho eny amin’ny fitsarana

Notokanana sy natolotry ny minisitra ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny “Guichet Unique de Greffe” ao amin’ny fitsarana Antsirabe, omaly. “Natao ha­natsarana ny raharaha ara-pi­tsarana sy hanomezana tolotra haingana sy mahomby ary tsara ho an’ny vahoaka ma­nan-draharaha izany”, hoy izy. Nanteriny fa afaka manao ny dingana rehetra ilaina amin’ny toerana […]

Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina : Vonona ny fandraisana ny fihaonana an-tampony eto Antananarivo

Eny amin’ny ny CCI Ivato no handraisana ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) faha-5. Vonona i Madagasikara. Tsy any Nosy Be Hell-Ville indray… Eny amin’ ny ny CCI Ivato no handraisan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana mpikambana eo anivon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) faha-5, amin’ny 24 […]

CUA : Mifampitifitra ny samy mpanohitra

Tonga amin’ny fisaratsaharana ireo mpanolotsaina avy amin’ny fanoherana eo anivon’ny filankevitry ny tanàna, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tratry ny tsy fitoviam-pijery izy ireo. Miisa 37 ireo mpanolotsaina mosipaly nandany ny volavolana tetibola 2025 teny anivon’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra (CUA), Analakely, afakomaly, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. 12 ireo tsy naneho […]

FANTINA sy FINTINA

Notakin’ny filoha Rajoelina Andry tao amin’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly ny hanarahana maso akaiky ny fivarotana ny vary mora, 500 Ar ny kapoaka any Atsimo. Nambarany fa tokony hozaraina intelo isan-kerinandro izany ary ilaina ny mangarahara. Eo koa ny tsy maintsy hananan’ireo kaominina lavitra indrindra ny karine fokontany. Nambaran’ny depiote […]

Fihaonan’ny Jly Ravalomanana sy ny La17 : “Aoka hohajaina hatrany ny fitsipika sy ny lalàna”

Nandray ireo manamboninahitra zandary sy tafika, eo anivon’ny Akademian’Antsi­rabe (Acmil) solontenan’ny andiany faha-17, tetsy Ano­sikely, ny filohan’ny Anteni­mie­ran-doholona, ny Jly Ra­valomanana Richard. Nitarika izany ny komandin’ny andiany, ny Kly Be Fregis. Nana­fatrafatra azy ireo sady nizara traikefa tamin’ireo andiany eo ambany fiahiany ireo ny filohan’ny Antenimierando­ho­lona. “Aoka hohajaina hatrany ny […]