Nidina ifotony nitondra fanampiana ho an’ireo traboina ny filoha Rajoelina Andry. Teo koa ny toromarika nomeny manoloana izao fiakaran’ny rano izao. “Mila jerena tsara ny fanorenana tsy manara-dalàna, indrindra ny fanotofana tany miteraka tondradrano ka mahavoa ny hafa. Tsy manara-dalàna ny fisian’ny fanotorana tata-drano, ka manimba ny fenitra ahazoan’ny rano […]
Politika
Rakotomanana Richardson : “Manjary simba endrika ny firaisamonina sivily”
“Manjary simba endrika ny firaisamonina sivily amin’ny fanaovan’ny sasany tsy manao ny asany amin’ny maha firaisamonina sivily azy”, hoy ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson. Toy ny hoe manampy tosika na mamendrofendro […]
Fiainam-pirenena : Tsindrilentam-pahefana fa tsy mpanohitra ny firaisamonina sivily
Tsy mampitovy hevitra be ihany ny amin’ny hoe ny firaisamonina sivily. Manao politika? Na fitaovana politikan’ny any ivelany, tsy manao afa-tsy mitsikera… Mety tsy mitovy be ihany ny fijery arakaraka ny toerana misy ny tsirairay. Tsindrilentam-pahefana fa tsy mpanohitra ny firaisamonina sivily. Fanadihadiana… «Eo anelanelan’ny isam-batan’olona sy ny Fanjakana, fitambaran’olona […]
Fandikana ny fitsipika anatiny: Nesorina tsy ho HVM i Dadilahy
Nesorina tsy ho mpikambana ao amin’ny antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara – HVM intsony Rasolofonirina Jean Michel José Andriamady na i Dadilahy. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko, Rakotovao Rivo, omaly, fa naharay tatitra momba azy ny eo anivon’ny birao politika nasionaly. Niainga avy any amin’ny mpandrindram-paritry ny antoko HVM any […]
Misedra olana ara-bola : Hikatona amin’ny aogositra ny FES
Nanapa-kevitra ny eo anivon’ny filankevi-pitantanan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES) fa hakatona ireo birao miisa sivy eo amin’izy ireo ka anisan’izany ny eto Madagasikara. Voalaza ho anton’izany ny olana ara-bola eo anivon’izy ireo ka tsy ahafahana miatrika ny fandaharanasany amin’ny hoavy. Araka izany, hikatona manomboka amin’ny volana aogositra izao ny FES eto Madagasikara. […]




