Miroso amin’ny dingana fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny Pac sy ny Bianco. Angatahana fankatoavana avy amin’ny fitsarana izany. Anisan’ny tokony hogiazana ny sambo iray sy trano efatra, ahitana hotely iray lehibe. Eo koa ireo trano, rihana enina sy trano fonenana roa ary tany ao Antsirabe […]
Politika
Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Ento am-pahendrena ny fahefana…”
Mbola nampahatsiahy indray ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, omaly, ny amin’ny fitantanana ny kaominina. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ireo ben’ny Tanàna tany Fianarantsoa. Nanotrona ny fametrahana samboady ho an’ireo ben’ny Tanàna miisa 60 tao Fianarantsoa ny minisitra Andriantsitohaina Naina, omaly. Nambarany tamin’izany […]
Filoha Rajoelina Andry: “Tsy azo atao bontolo ny fitondrana firenena”
Hentitra ny Filohan’ny Repoblika amin’ny fomba fitantanana ny firenena, ankehitriny. Nohamafisiny fa tsy azo ato bontolo izany. Nasiany tsindrim-peo ny tokony hanovana ny toe-tsaina. «Ny fitondrana ny firenena tsy azo atao bontolo hoe te hitondra. Fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra io» , hoy ny filoha Rajoelina Andry, teny Manazary, Betsizaraina Avaradrano, omaly, […]
FANTINA sy FINTINA
Mandalo ny fahefana ary samy hotsarain’ny tantara eto amin’ny natao ho an’ny firenena, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriamasinoro Ny Riana. Fanehoan-keviny manoloana ny sazy 3 taona an-tranomaizina, ho an’ilay teknisianin’ny Tim, Jean Luce, voampanga ho niditra antsokosoko tamin’ny Ceni sy ny fanohintohinana ny filaminana. Nakaton’ny fanjakana, afakomaly alina, […]
Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro : Nofanina ireo mpisehatra amin’ny fanorenana
Nofanina ireo mpisehatra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa miara-miasa amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny misitraka ny fampiofanana ireo birao mpanadihady sy ny orinasa misahana ny fanorenana, ho an’ny eto Analamanga. Nambaran’ny mpandrindra ny tetikasa ho an’ny tanàna, Rakotomanana Gerard Olivier, fa tanjon’ny fampiofanana ny fampiharana […]




