Mitohy ny fampahafantaran’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny fampiasana ny “Minisitère de l’aménagement du territoire : autorisation de construire – Matac”. Hanampy betsaka ireo ben’ny Tanàna ity fitaovana ity. Fitaovana ahafahana mikirakira ara-kajy mirindra ny fitantanana sy ny fandraisana antontan-taratasy fahazoan-dàlana hanorina ny “Matac”. Ahafahana mitsidika […]
Politika
Lisi-pifidianana : Tokony hiainga amin’ny rejisitra
“Manana rejisitry ny mponina ao aminy ny fokontany. Manomboka amin’izay teraka ka hatramin’izay maty izany. Miainga amin’izay rejisitra izay no hanaovana ny lisitry ny mpifidy isan-taona: iza avy no feno 18 taona amin’ity taona ity ary iza no efa maty?”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, […]
FANTINA sy FINTINA
Mifanaraka amin’ny lalàna iraisam-pirenena momba ny asa ny fanavaozana nataon’ny fitondram-panjakana ny lalàna mifehy ny asa, araka ny nambaran’ny talen’ny biraon’ny OIT, Frederick Muia. Noraisin’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, ny tenany, afakomaly. Hatao “Digitalisation” koa ny fitsarana momba ny asa. Nanatanteraka ny asa tanamaro niarahana tamin’ny […]
Depiote Rabenirina Mamy: “Anjaranay ny mampahatsiahy ny tsy mety”
“Ny anjaran’ny mpanohitra dia mampahatsiahy ny fitondrana ny zavatra tsy mety. Milaza ny hevitra tsy voatery hifanaraka amin’ny hevitry ny mpitondra fanjakana izany”. Izay ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, tamin’ny anaran’ny vondrona Firaisankina, Rabenirina Maminiaina Solondraibe, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Izay hatrany no nataon-dry zareo nandritra […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : Efa afaka maka ny anto-bolany ireo kandidà
Efa nivoaka ny fanapahana ahazoan’ny kandidà ny anto-bolany tamin’ny niatrehina ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, ny 11 desambra teo. Tsy ny rehetra anefa no hisitraka izany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany fa efa tokony haka ny anto-bolany ireo kandidà tamin’ny fifidianana farany teo. “Efa azo alaina any […]




